Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maty vao Haingana ny Dadabeny

Maty vao Haingana ny Dadabeny

Maty vao Haingana ny Dadabeny

● Izao no nosoratan’ny lehilahy iray ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho nefa tiako ny mamaky ny gazetinareo. Nisy gazety iray niresaka momba an’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Nahaliana ahy ilay izy. Maty vao haingana mantsy ny dadabeko. Te hahazo valo amin’io bokikely io aho mba hampiononako ny havanay.”

Ireto no fanontaniana sasany valian’ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao: Ahoana no hahazakako ny alaheloko? Inona no fanantenana ho an’ny maty? Hazavainy izay lazain’ny Baiboly momba ny atao hoe fahafatesana sy ny hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Hazavainy koa hoe mampanantena Andriamanitra fa hampiasa an’i Jesosy Kristy mba hanangana ny maty ho ao amin’ny paradisa eto an-tany.

Raha te hanafatra an’io bokikely io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso amin’ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.