Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Atao Mpitaiza Zaza ve ny Televiziona?

Tsara Atao Mpitaiza Zaza ve ny Televiziona?

Tsara Atao Mpitaiza Zaza ve ny Televiziona?

METY ho tena tianao indraindray ny mamela ny zanakao ho variana mijery tele, rehefa misy zavatra ataonao. Inona anefa no vokatr’izany eo aminy?

Hoy Ny Gazetin’i New York (anglisy): “Mety hisy vokany eo amin’ny fihetseham-pon’ny olona, na dia ny an’ny zazakely aza, ny zavatra jerena ao amin’ny televiziona.” Vao haingana dia nisy fandinihana natao tamin’ny zaza maromaro vao herintaona. Nampijerena fandaharana fohy nisy olona nanao fihetsika samihafa tamin’ny kilalao iray izy ireo. Hoy ilay gazety: “Rehefa mody natahotra an’ilay kilalao ilay olona, dia hita fa tsy te hilalao azy io ireo zaza, sady natahotra, niketrona, niferinaina, na nitomany. Raha mody tia an’ilay kilalao kosa ilay olona, dia mba te hilalao azy io koa ireo zaza.”

Hita àry fa misy vokany eo amin’ny zazakely ny fijerena televiziona. Inona kosa no vokany maharitra eo amin’ny ankizy? Nisy ankizy maromaro tsy niteny mihitsy, sady tsy hita firy teny amin’ny endriny ny fihetseham-pony. Nandinika azy ireo ny Dr. Naoki Kataoka, mpampianatra momba ny fitsaboana ankizy ao amin’ny Oniversite Fianarana ho Dokotera any Kurashiki, any Japon. Hita fa samy efa nijery tele na video nandritra ny fotoana ela ireo ankizy ireo. Tsy nahay niteny koa ny ankizilahikely roa taona, ary vitsy kely ny teny fantany, satria vao herintaona izy dia efa nijery video isan’andro, maraina mandra-paharivan’ny andro. Nanaraka ny torohevitry ny dokotera ny reniny ka tsy namela azy hijery video intsony, sady niara-nilalao taminy. Tamin’izay vao nanomboka nihabetsaka ny teny hainy. Mila manao zavatra miaraka amin-janany tokoa àry ny ray aman-dreny.

Sarobidy sady faran’izay tsara izany. Nanasongadina izany i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fianakaviana, rehefa nilaza tamin’ny vahoakany fahiny hoe: “Ampianaro tsara ny zanakao izany [ny Tenin’Andriamanitra], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:7) Ny ray aman-dreny, fa tsy ny televiziona no tokony hampianatra ny ankizy ny lalana tsara indrindra “tokony halehany”, ary amin’ny teniny sy ny ataony no anaovany izany.—Ohabolana 22:6.