FANAZAVANA ANDININ-TENY
2 Timoty 1:7: “Tsy mba Fanahy Mahatonga ho Kanosa no Efa Nomen’Andriamanitra Antsika”
“Fa tsy mahatonga antsika ho kanosa ny toe-tsaina omen’Andriamanitra antsika, fa mahatonga antsika hahery sy ho be fitiavana ary hahay hisaina.”—2 Timoty 1:7, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen’Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.”—2 Timoty 1:7, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara (DIEM).
Inona no tian’ny 2 Timoty 1:7 holazaina?
Afaka manampy antsika hanana herim-po hanaovana ny tsara Andriamanitra. Tsy tiany ho “kanosa” sy hanaiky ho resin’izany isika satria mahatonga antsika tsy ho sahy hanao ny sitrapony ny tahotra sady tsy mahasoa.
Andao isika handinika an’ireo toetra telo resahina ao amin’io andininy io. Omen’Andriamanitra antsika izy ireo mba hahatonga antsika tsy ho resin’ny tahotra na ny toe-tsaina kanosa.
“Hahery.” Sahy niatrika fahavalo mahery sy toe-javatra nivaivay foana ny Kristianina mba hanompoana an’i Jehovah. Tsy resin’ny tahotra izy ireo. (2 Korintianina 11:23-27) Nahoana izy ireo no nahavita an’izany? Nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Fa manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Nomen’Andriamanitra “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” izy ireo mba hahavitany hiatrika zava-tsarotra.—2 Korintianina 4:7.
“Be fitiavana.” Tena tia be an’Andriamanitra ny Kristianina dia izany no manampy an-dry zareo ho sahy hanao ny marina. Tia ny hafa koa izy ireo ka izay ilain’ny hafa foana no tena zava-dehibe aminy alohan’ny azy. Miezaka manao an’izany foana izy ireo na dia misy manohitra aza na mety hamoy ny ainy.—Jaona 13:34; 15:13.
“Hahay hisaina.” Ny dikan’ny hoe mahay misaina ao amin’ny Baiboly dia hoe mahay manapa-kevitra mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly. Mandinika sy mieritreritra tsara ny olona iray mahay misaina na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza. Mahavita manapa-kevitra mifanaraka amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra izy. Ny fifandraisany amin’Andriamanitra mantsy no zava-dehibe kokoa aminy noho ny fomba fiheveran’ny olona.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny 2 Timoty 1:7?
Taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty namany sady mpiara-miasa aminy ny bokin’ny Timoty faharoa. Nampirisihin’i Paoly hiezaka mafy amin’ny fanompoana foana i Timoty tao anatin’ny fahatanorany. (2 Timoty 1:1, 2) Saro-kenatra angamba i Timoty ka tsy tena sahy nanao andraikitra tao amin’ny fiangonana. (1 Timoty 4:12) Nampahatsiahy azy anefa i Paoly hoe fanomezana manokana ny tombontsoam-panompoana nananany teo anivon’ny fiangonana. Nampirisika an’i Timoty àry i Paoly mba tsy hatahotra hanao ny andraikiny teo amin’ny fiangonana, tsy hisalasala hitory ny vaovao tsara ary ho sahy hiatrika an’ireo toe-javatra sarotra mba hiarovana ny finoany.—2 Timoty 1:6-8.
Marina fa nosoratana ho an’i Timoty ireo tamin’ny voalohany. Manome toky antsika rehetra amin’izao koa anefa io hoe raha te hanompo an’Andriamanitra isika, dia homeny an’izay ilaintsika mba hahavitantsika an’izany, na inona na inona zava-tsarotra atrehintsika.