MANONTANY NY TANORA
Inona no Tsara ho Fantatro Momba ny Fifohana Sigara sy Rongony ary Sigara Elektronika?
“Vitsy ihany atỳ aminay izany hoe olona latsaky ny 25 taona izany nefa tsy mbola nifoka mihitsy.”—Julia.
Ho hitantsika ato ireto:
Inona no tsara ho fantatrao?
Mahafaty ny sigara. Nikôtinina no tena betsaka ao anaty sigara. Poizina tena manandevo anefa izy io. Nilaza ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Etazonia hoe “raha misy antony mahatonga ny olona eran-tany ho faty tanora na harary nefa azo sorohina tsara, dia ny fampiasana sigara sy paraky no anisan’ny lehibe indrindra.”
“Miasa amin’ny fahasalamana aho dia manao skanera ny asako. Be dia be ny sary efa hitako mampiseho hoe hoatran’ny ahoana ny vokatry ny fifohana any anatin’ny olona any. Raha misy olona efa nifoka izao taloha, dia tena be dia be mihitsy ny zavatra miangona ao anaty lalan-drany ao. Tena aleoko tsy mifoka fa sarobidy loatra ny vatako.”—Theresa.
Fantatrao ve? Misy zavatra simika 7 000 eo ho eo ao anatin’ny sigara, ary be dia be amin’ireny no mankarary. Olona an-tapitrisany isan-taona no matin’ny aretina vokatry ny sigara sy ny paraky.
Mampiditra zavatra simika mankarary ao anatin’ny vatany ny olona mampiasa sigara elektronika. Mino ny manam-pahaizana fa lasa simba ny havokavoky ny olona mampiasa sigara elektronika dia avy eo maty ry zareo. Be dia be koa ny sigara elektronika misy nikôtinina, hoatran’ny sigara tsotra ihany. Tena manandevo anefa izy io. Milaza ny tatitra iray momba ny sigara elektronika hoe mety “hahatonga ny tanora hiankin-doha amin’ny zava-mahadomelina hafa” ny nikôtinina.
“Mamy hoatran’ny bonbon ny karazana sigara elektronika sasany, dia ny sasany indray misy tsirona serizy. Tena tian’ny ankizy sy ny tanora anefa izany, dia heverin-dry zareo fa hoe tsy mampaninona ilay izy.”—Miranda.
Fantatrao ve? Tsy rano fotsiny no ao anatin’ny etona avoakan’ny sigara elektronika fa misy zavatra mampidi-doza koa. Anisan’izany, ohatra, ny zavatra simika tena mankarary. Miditra any amin’ny havokavoky ny olona ireny rehefa mifoka sigara elektronika izy.
Inona avy no mety ho voka-dratsin’ny fifohana sigara na sigara elektronika?
(1) Fahavoazana ao amin’ny atidoha, indrindra eo amin’ny olona mbola mitombo: Tsy miasa tsara intsony ny saina, tsy mahavita mifantoka, ary miovaova be ny fihetseham-po
(2) Manaintaina ny hihy ary simba ny nify
(3) Tratran’ny aretin’ny havokavoka sy aretim-po
Raha voan’ny asma dia vao mainka miharatsy ilay izy
Marary vavony sy mandoa
Inona no azonao atao?
Fantaro izay tena marina. Misy miteny hoe tsy mampaninona ny mampiasa sigara elektronika, na hoe tena afaka daholo ny adin-tsaina amin’ilay izy. Manaova fikarohana, dia rehefa fantatrao izay tena marina dia tapaho ny hevitra hoe hampiasa ianao sa tsia.
Torolalan’ny Baiboly: “Mino an’izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”—Ohabolana 14:15.
“Rehefa mahita olo-malaza na namanao mifoka sigara sy mampiasa sigara elektronika ianao dia hoatran’ny hoe mahafinaritra be ilay izy. Rehefa mieritreritra ny voka-dratsiny anefa ianao dia tonga saina hoe hay mampidi-doza ilay izy.”—Evan.
Eritrereto izao: Tena falifaly kokoa ve ny tanora mifoka sigara na sigara elektronika? Vonona kokoa hiatrika olana mampiady saina ve ry zareo na amin’izao na amin’ny hoavy? Sa vao mainka hiteraka olana ny zavatra ataony?
Mitadiava hevitra tsara hanampy anao tsy hanahy be loatra. Afaka manampy anao tsy hanahy be loatra ny manao zavatra mahasalama, ohatra hoe manao spaoro na mamaky boky na miaraka amin’ny namana mahafinaritra. Be dia be amin’izay ny zavatra mahavariana anao dia tsy hieritreritra mihitsy ianao hoe mila mifoka.
Torolalan’ny Baiboly: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy azy, fa ny teny mampahery kosa no mahafalifaly azy.”—Ohabolana 12:25.
“Mieritreritra ny olona hoe manala adin-tsaina ny mifoka sigara sy sigara elektronika. Raha manala adin-tsaina anefa ilay izy dia vetivety ihany, nefa ny voka-dratsiny maharitra. Be dia be koa ny fomba tsara kokoa hiatrehana ny adin-tsaina.”—Angela.
Eritrereto izao: Inona avy no azonao atao mba hanalana adin-tsaina? Raha mila fanampiana ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataoko mba Tsy Hanahy Be Loatra Aho?” ao amin’ilay hoe “Manontany ny Tanora.”
Miomàna handa rehefa misy mitaona hifoka. Mety ho ny mpiara-mianatra aminao no hitaona anao, na ny fialam-bolinao mihitsy aza. Matetika no atao hoatran’ny hoe mahafinaritra be ny mifoka sigara sy sigara elektronika any anaty filma sy fandaharana amin’ny tele ary tambazotran-tserasera, sady hoatran’ny hoe maharaka be ny olona manao an’ilay izy.
Torolalan’ny Baiboly: “Ny olona matotra ... mampiasa tsara ny sainy ka manazatra azy io mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.
“Tamin’izaho mbola nianatra dia be dia be ny mpiara-mianatra tamiko nanaja ahy satria izaho tsy nifoka sigara na sigara elektronika. Nataoko nazava tsara hoe tsy hanao an’izany mihitsy aho, dia lasa niaro ahy aza ry zareo. Mety hiaro izany ilay hoe ataonao mazava tsara ny hevitrao. Hoatran’ny hoe hafahafa izany nefa tena mety hitranga.”—Anna.
Eritrereto Izao: Mahavita mandà ve ianao rehefa misy mitaona anao hanao zavatra ratsy? Efa nisy fotoana ve ianao nahavita nanao an’izany? Raha mila fanampiana ianao dia jereo ilay hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?” ao amin’ny toko 15 amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 2.
Fidio tsara ny namanao. Tsy dia halaim-panahy hifoka sigara na sigara elektronika ianao raha mitovy hevitra aminao momba an’ireo zavatra ireo ny namanao.
Torolalan’ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.
“Tena manampy be ny minamana amin’olona mahay mifehy tena sy tsy mora miovaova hevitra. Misy vokany tsara eo amin’ny fiainan-dry zareo ilay izy manana an’ireo toetra ireo, dia rehefa mahita an’izany ianao dia lasa te ho hoatran-dry zareo koa.”—Calvin.
Eritrereto Izao: Manohana anao amin’ny ezaka ataonao mba hadio sy ho salama tsara foana ve ny namanao akaiky indrindra, sa ry zareo manasarotra an’izany?
Ary ahoana ny rongony?
Be dia be ny olona mieritreritra hoe tsy mampaninona ny rongony. Lainga anefa izany!
Atahorana hiankin-doha amin’ny rongony izay tanora mampiasa azy. Hitan’ny mpikaroka hoe mety hanimba ny atidohanao ny rongony, dia mety hampihena ny fahaizanao misaina.
Araka ny sampan-draharaha iray misahana ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina sy ny fahasalaman’ny saina ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka any Etazonia, dia “mampiseho ny fikarohana natao hoe matetika ny olona mampiasa rongony no lasa tsy mifandray tsara amin’ny olona akaiky azy. Miharatsy koa ny naotiny any am-pianarana na ny asa ataony any am-piasana, ary tsy sambatra izy raha oharina amin’ny olona hafa.”
“Nisy fotoana aho niady saina be, dia te hampitony an’ilay izy. Izay no tena nahatonga ahy halaim-panahy hifoka rongony. Nieritreritra anefa aho ho olana be raha lasa miankin-doha amin’ilay izy aho. Noeritreretiko koa ny vola ho laniko amin’ny rongony sy ny ho voka-dratsin’ilay izy amin’ny fahasalamako. Tonga saina aho hoe vao mainka hitombo ny adin-tsaiko raha mifoka rongony aho.”—Judah.