MANONTANY NY TANORA
Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 1: Fantaro Izay Resahin’ny Baiboly
“Niezaka namaky Baiboly ihany aho fa tsy vitako ilay izy satria lava loatra.”—Briana, 15 taona.
Hoatr’izany koa ve no tsapanao? Raha izany dia hanampy anao ity lahatsoratra ity.
Nahoana no ilaina ny mamaky Baiboly?
Hoatran’ny mahakamo be ve ilay hoe hamaky Baiboly? Eny e, ara-dalàna ianao raha mahatsapa an’izany. Mety hieritreritra mantsy ianao hoe arivo mahery ny pejy ao anatiny, kely ny soratra ao, sady tsy misy sary mihitsy. Dia mety hiteny ianao hoe aleo ihany mijery tele sy video.
Izao anefa: Ahoana no hataonao raha mahita vata tranainy be fametrahana harena sarobidy ianao? Tsy mba tianao hojerena ve ny ao anatiny?
Hoatran’io vata io mihitsy ny Baiboly. Misy fahendrena sarobidy be ao anatiny, ary hanampy anao mba
Hahay hanapa-kevitra
Hifandray tsara amin’ny ray aman-dreninao
Hahay hifidy namana
Hiatrika adin-tsaina
Boky efa tranainy be ve dia mbola azo ampiharina amin’izao? Eny, satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Avy amin’Andriamanitra àry ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, ary izy no Mahay Indrindra eo amin’izao rehetra izao.
Ahoana no fomba hamakiana Baiboly?
Azonao vakina misesy, ohatra, ny Baiboly. Ho hitanao amin’ny ambangovangony, amin’izay, ny hafatra ao. Betsaka ny fomba azo amakiana ny Baiboly, fa ireto misy soso-kevitra roa:
Azonao vakina manaraka ny filaharany ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly, manomboka eo amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy.
Azonao vakina arakaraka ny fotoana nisehoany ny fitantarana ao amin’ny Baiboly.
Soso-kevitra: Ao amin’ny fizarana faha-4 ao amin’ny Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra ny zava-nisongadina tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany.
Azonao atao koa ny mifidy tantaran’olona ao amin’ny Baiboly nanana olana mitovy amin’ny anao. Ohatra:
Te hanana namana azo itokisana ve ianao? Vakio ny tantaran’i Davida sy Jonatana. (1 Samoela, toko 18-20) Jereo avy eo ilay fampiasana hoe “Ahoana no Hahitana Namana Tsy Mivadika?” mba hahitana hoe inona no lesona azo raisina amin’ilay tantara.
Te hahavita hanohitra fakam-panahy kokoa ve ianao? Vakio ny tantaran’i Josefa fa nahavita an’izany izy. (Genesisy, toko 39) Jereo avy eo ilay fampiasana hoe “Ahoana no Hanoherana Fakam-panahy? Josefa—Fizarana 1” sy ilay hoe “Nisy Nanendrikendrika: Josefa—Fizarana 2” mba hahitana hoe inona no lesona azo raisina amin’ilay tantara.
Tianao ho fantatra ve hoe nahoana no afaka manampy anao ny vavaka? Vakio ny tantaran’i Nehemia. (Nehemia, toko 2) Jereo avy eo ilay fampiasana hoe “Namaly ny Vavaka Nataony Andriamanitra” mba hahitana hoe inona no lesona azo raisina amin’ilay tantara.
Soso-kevitra: Mitadiava toerana mangina tsy misy manelingelina na tabataba rehefa mamaky Baiboly, amin’izay ianao mifantoka tsara.
Azonao atao koa ny mifidy fitantarana na salamo dia avy eo mijery ny lesona azonao ampiharina rehefa voavaky ilay izy. Saintsaino ny fanontaniana mitovitovy amin’ireto rehefa avy mamaky ianao:
Nahoana no i Jehovah no nampiditra an’ity ao amin’ny Baiboly?
Hoatran’ny ahoana ny toetran’i Jehovah na ny fomba fanaovany zavatra rehefa jerena ilay novakiko teo?
Ahoana no azoko ampiharana an’izany eo amin’ny fiainako?
Soso-kevitra: Mametraha tanjona! Soraty hoe rahoviana ianao no hanomboka hamaky Baiboly.