Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Misy Olona Ratsy Fanahy Amiko ao Amin’ny Internet?

Ahoana Raha Misy Olona Ratsy Fanahy Amiko ao Amin’ny Internet?

 Inona no tokony ho fantatrao?

 Mora mampanaonao foana ny Internet. “Na ny ankizy hendry aza mety hanao ratsy fanahy satria tsy hita mivantana izy”, hoy ny boky CyberSafe.

 Misy karazan’olona mora voa kokoa. Ireo saro-kenatra sy tsy be teny, na tsy matoky tena, na tsy mitovy amin’ny besinimaro, no matetika ampijalin’ny olona.

 Misy vokany ratsy be ilay izy. Mety ho lasa manirery na kivy be ny ankizy iray raha misy manaratsy na mampitahotra na manala baraka azy ao amin’ny Internet. Nisy aza namono tena mihitsy.

 Inona no azonao atao?

 Eritrereto hoe tena nieritreritra ny hampijaly anao ve ilay olona nandefa an’ilay hafatra na sary. Misy mantsy olona miteniteny zavatra mankarary fo nefa tsy tena fanahy iniany ilay izy. Rehefa mitranga izany dia azonao arahina ity torohevitry ny Baiboly ity:

 “Aoka ianao tsy ho mora tezitra”, fa “ny adala” no mora tezitra.—Mpitoriteny 7:9.

 Tena ratsy fanahy kosa ilay olona raha manao fanahy iniana mampitahotra, na manala baraka, na manao zavatra mampiferinaina anao foana.

 Eritrereto tsara izay havalinao, satria mety hampilamina an’ilay olana izany, nefa koa mety vao mainka hampitombo an’ilay izy. Azonao andramana ireto:

 Aza raharahaina fotsiny ilay izy. Hoy ny Baiboly: ‘Mahafehy ny vavany ny olona manana fahalalana, ary tony ny olona mahay manavaka.’—Ohabolana 17:27.

 Izao no nolazain’i Nancy Willard, ao amin’ilay bokiny hoe Cyberbullying and Cyberthreats: “Ny hampahatezitra anao no tena tadiavin’ilay olona ratsy fanahy. Ka raha tezitra be ianao, dia ilay olona mampijaly anao izany no avelanao hibaiko ny fihetseham-ponao.”

 Tadidio izao: Ny tsara indrindra, indraindray, dia ny tsy mamaly mihitsy.

 Aza mamaly faty na dia tezitra be aza ianao. Milaza ny Baiboly hoe: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva.”—1 Petera 3:9.

 Hoy ny boky Cyber-Safe Kids, Cyber-Savvy Teens: “Raha tezitra ianao, dia hitany hoe izay izany no tsy tantinao, dia vao mainka iny mihitsy no ataony.” Raha mamaly faty koa ianao, dia ianao koa lasa diso hoatran’ilay olona ratsy fanahy taminao.

 Tadidio izao: Aza manampy trotraka an’ilay olana. Afo efa handoro ny trano ve dia mbola hampiana kitay indray?

 Manaova zavatra fa aza mijanona amin’izao fotsiny. Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy.” (Romanina 12:21) Azonao atao tsara ny hoe miaro tena mba tsy hampijaly anao intsony ilay olona, nefa koa mitandrina mba tsy hanampy trotraka an’ilay zava-manahirana.

 Ireto misy zavatra azonao atao:

  •   Ataovy tsy afaka mandefa hafatra aminao intsony ilay olona. Hoy ny boky Mean Behind the Screen: “Tsy haharary fo ianao raha tsy hitanao ilay hafatra!”

  •   Tehirizo izay porofo rehetra voarainao, na dia tsy vakinao aza, na sary izany na video, na soratra, na feo. Azonao aseho mantsy izy ireny any aoriana any raha ilaina.

  •   Teneno ilay olona mba tsy hanao intsony. Ataovy hentitra ny teninao, ary aza asiana fihetseham-po. Azonao atao, ohatra, ny milaza hoe:

    •  “Aza mandefa hafatra amiko intsony.”

    •  “Esory io zavatra nataonao eo io.”

    •  “Raha tsy mijanona ianao dia handray fepetra henjana kokoa aho.”

  •   Miezaha hatoky tena amin’ny fiainanao andavanandro. Izay tsara vitanao sy izay zavatra hainao ifantohana, fa aza eritreretina be izay fahalemenao. (2 Korintianina 11:6) Ny ankizy hoatran’ny malemilemy mantsy no mora ampijalin’ny olona. Raha asehonao kosa hoe matoky tena tsara ianao, dia tsy ho sahy haninona anao izy.

  •   Miresaha amin’ny olon-dehibe. Ny ray aman-dreninao no tokony hiresahanao voalohany. Azonao ampahafantarina momba izany koa ilay tranonkala na tambazotra ampiasain’ilay olona ratsy fanahy. Raha tena ilaina aza, dia mila miresaka amin’ny tompon’andraikitra any amin’ny sekolinareo ianao sy ny ray aman-dreninao. Mety hilaina mihitsy aza ny mitory an’ilay olona any amin’ny polisy, na eny amin’ny fitsarana.

 Tadidio izao: Tsy hoe tsy afa-manoatra akory ianao. Misy zavatra azonao atao mba hampijanonana an’ilay olana, na fara faharatsiny, mba tsy hisy vokany loatra eo aminao ilay izy.