Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

Inona no Hataoko mba Tsy ho Resin’ny Fakam-panahy?

 Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.” (Romanina 7:21) Efa nahatsapa hoatr’izany ve ianao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity, raha izany no izy.

 Tsara ho fantatrao

 Ny namana matetika no olana. Milaza ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Lasa te hanao zavatra ratsy ianao, rehefa manaiky hotarihin’ny namanao na manao fialam-boly sasany. Mety hanaraka an’izay ataon’ny hafa fotsiny aza ianao.—Eksodosy 23:2.

 “Te ho tian’ny hafa ianao indraindray, dia lasa ataonao koa izay rehetra ataony.”—Jeremy.

 Saintsaino izao: Nahoana no sarotra ny mandresy fakam-panahy, raha matahotra ianao hoe tsy ho tian’ny hafa?—Ohabolana 29:25.

 Tadidio izao: Aza manaiky hotarihin’ny hafa hanao zavatra efa fantatrao hoe ratsy.

 Inona no azonao atao?

 Fantaro hoe nahoana no mahasoa anao ny fitsipika arahinao. Raha tsy izany mantsy dia hataon’ny olona hoatran’ny kilalao ianao, ka izy ireo indray no hibaiko anao. Aleo manaraka an’ity resahin’ny Baiboly ity: “Fantaro tsara ny zava-drehetra, ka mifikira amin’izay tsara.” (1 Tesalonianina 5:21) Ho mora kokoa aminao ny handresy fakam-panahy, raha azonao tsara hoe nahoana ianao no tsy tokony hanao an’ilay izy.

 Saintsaino izao: Nahoana ianao no resy lahatra hoe mahasoa anao ny fitsipik’Andriamanitra?

 “Hitako hoe manaja ahy kokoa ny hafa, rehefa mijoro amin’ny hevitro aho fa tsy manaiky ho resin’ny fakam-panahy.”—Kimberly.

 Modely ao amin’ny Baiboly: Daniela. “Tapa-kevitra tao am-pony” izy fa hankatò ny lalàn’Andriamanitra.—Daniela 1:8.

Hataon’ny olona hoatran’ny kilalao ianao, raha tsy fantatrao hoe nahoana no mahasoa anao ny fitsipika arahinao

 Fantaro izay mety hahavoa anao. Miresaka momba ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” ny Baiboly, ary mety ho mafy be izany. (2 Timoty 2:22) Tsy faniriana hanao firaisana fotsiny ilay izy fa faniriana ho tian’ny hafa koa. Mety tsy te hofehezin’ny ray aman-dreninao intsony koa ianao, nefa mbola tsy mahaleo tena akory.

 Saintsaino izao: Milaza ny Baiboly hoe: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.” (Jakoba 1:14) Ary ianao? Inona no hitanao hoe tena mety hahavoa anao?

 “Jereo amin’ny saina tsy miangatra hoe inona no tena mety hahavoa anao. Fantaro hoe inona no tokony hatao mba handresena an’ilay izy, dia soraty izay tianao hampiharina. Amin’izay ho hainao izay tokony hatao raha tratran’ilay fakam-panahy indray ianao.”—Sylvia.

 Modely ao amin’ny Baiboly: Davida. Nisy fotoana izy resin’ny fakam-panahy, satria nanana fanirian-dratsy. Nisy fotoana koa izy voatariky ny hafa. Nandray lesona avy tamin’ny fahadisoana nataony anefa izy, sady niezaka ny tsy hamerina intsony. Nivavaka izy hoe: “Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô, ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova.”—Salamo 51:10.

 Aza manaiky ho resy. Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy.” (Romanina 12:21) Midika izany hoe tsy voatery ho resin’ny fakam-panahy ianao. Afaka mifidy ny hanao ny tsara foana mantsy ianao.

 Saintsaino izao: Raha tratran’ny fakam-panahy ianao, inona no hataonao mba tsy ho resin’ilay izy?

 “Eritreretiko hoe inona no ho vokany raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy aho. Mety ho falifaly aho amin’ny voalohany, fa avy eo tsy hilamina mihitsy ny saiko. Dia hozy aho hoe aleo tsy midi-kizo.”—Sophia.

 Modely ao amin’ny Baiboly: Paoly. Niaiky izy hoe nanana fanirian-dratsy, nefa tsy nanaiky ho resin’ilay izy. Niezaka nifehy tena mafy izy.—1 Korintianina 9:27.

 Tadidio izao: Ianao ihany no mifidy raha hanaiky ho resin’ny fakam-panahy na tsia.

 Tadidio hoe mandalo ihany ny fakam-panahy. Izao no nolazain’i Melissa, 20 taona: “Mafy be tamiko ny fakam-panahy sasany, tamin’izaho teny amin’ny lise. Tsisy dikany intsony anefa ireny amin’izao.” Hoy koa izy: “Mampahery an’ahy ny misaintsaina an’izany. Lasa matoky aho hoe mandalo fotsiny koa ny fakam-panahy atrehiko amin’izao. Fantatro hoe tsy hanenina mihitsy aho raha tsy manaiky ho resy.”