Hijery ny anatiny

Vao haingana izay no natao tao amin’ny Ivon-toerana Mirakitra ny Tantaran’ny Sosialisma Nasionaly any Munich (eo ankavanana) ny fampirantiana manokana momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia. Naorina teo amin’ny toerana nisy ny foiben’ny Nazia io ivon-toerana io.

18 FEBROARY 2019
ALEMAINA

Munich: Fampirantiana Mitantara ny Nanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah

Munich: Fampirantiana Mitantara ny Nanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah

Tabilao 60 nisy fanazavana sy sary no tao amin’ilay fampirantiana tao amin’ny Ivon-toerana Mirakitra ny Tantaran’ny Sosialisma Nasionaly any Munich. Mitantara ny nanenjehan’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireny.

Nisy fampirantiana manokana tao amin’ny Ivon-toerana Mirakitra ny Tantaran’ny Sosialisma Nasionaly any Munich, tamin’ny 26 Septambra 2018 ka hatramin’ny 6 Janoary 2019. Natao hampahafantarana ny besinimaro izy io hoe hoatran’ny ahoana ny zavatra niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny fitondran’ny Nazia. Eo amin’ilay toerana nisy ny foiben’ny Nazia no misy an’io ivon-toerana io.

Nohazavain’ny Dr. Hans-Georg Küppers, manam-pahefana ao Munich, ny anton’ilay fampirantiana, nandritra ny kabary fanokafana. Hoy izy: “Tena zava-dehibe ity fampirantiana ity satria tsy noeritreretin’ny olona mihitsy hatramin’izay hoe nenjehin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah. ... Ny tanjon’ity fampirantiana ity àry dia ny hampahafantatra amin’ny besinimaro ny marina momba an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo.”

Tabilao 60 no mitantara ny herim-po sy ny tsy fivadihan’ny rahalahintsika nenjehin’ny Nazia tany Munich, ary izay nataon’izy ireo mba tsy hahafaty azy ireo. Naseho tamin’ny tabilao iray, ohatra, ny tantaran’i Martin sy Gertrud Pötzinger. Nosamborina izy ireo ary nalefa tany amin’ny toby fitanana samy hafa, nefa vao volana vitsivitsy no nivady. Tsy nifankahita nandritra ny sivy taona izy mivady. Samy tsy maty izy roa ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Rahalahy Pötzinger, tatỳ aoriana.

Novonoin’ny Nazia tamin’ny 6 Oktobra 1944 i Therese Kühner.

Nisy tantaran’i Therese Kühner koa teo amin’ny tabilao iray. Lasa Vavolombelon’i Jehovah (Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tamin’izany) izy, tamin’ny 1929. Nisy fivoriana miafina tao an-tranony rehefa noraran’i Alemaina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nataony pirinty an-tsokosoko koa ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa tratran’ny Nazia izy, dia nosamborina ary nampangaina hoe “mamoaka sy mizara boky manohitra ny fitondrana sy manakivy ny tafika.” Tsy nivadika mihitsy ny Ranabavy Kühner na dia efa ho faty aza. Novonoina izy tamin’ny 6 Oktobra 1944.

Hazavain’ny tabilao hafa ny momba an’ireo rahalahy tsy nety nanao an’ilay fombafomba fiarahabana hoe: “Heil Hitler!” Tena nankahalain’ny fitondrana àry izy ireo.

Nivoady i Hitler, tamin’ny 1934, hoe tsy hasiany miangana ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Hofoanana eran’i Alemaina ireo!” Nizaka ny tsy eran’ny ainy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa niezaka nanatanteraka an’izany i Hitler. Efa tsy eo intsony izao i Hitler sy ny namany fa misy Vavolombelon’i Jehovah 165000 mahery kosa any Alemaina. Misaotra an’i Jehovah isika satria rehefa mijaly isika dia omeny fanantenana, ary “tsy mba mitondra fahadisoam-panantenana” izany.—Romanina 5:3-5.