Hijery ny anatiny

Ho hoatr’izao ilay sampana vaovao rehefa vita: Tranobe iray hatao birao sy tranobe roa hatao fonenana. Hifindra ao ny Betelita amin’ny Jolay ka hatramin’ny Desambra 2020.

29 APRILY 2019
ARZANTINA

Manomboka ny Fanorenana ny Sampana Vaovao any Arzantina

Manomboka ny Fanorenana ny Sampana Vaovao any Arzantina

Tamin’ny Aogositra 2018 no nanomboka ny fanorenana ny biraon’ny sampana vaovao any Buenos Aires, Arzantina. Tranobe iray misy birao azon’olona 136 iasana ilay izy, miampy tranobe roa misy efitra 98. Mbola miparitaka any amin’ny toerana maromaro izao ny toeram-piasan’ny sampana. Ao amin’ny toerana iray daholo kosa ny asa no hatao, ao amin’ilay sampana vaovao, ka ho tsara kokoa ny vokatra ho azo. Jereo amin’ireo sary eto ambany ny nanombohana ny fanorenana azy.

Velaran-tany 8524 metatra toradroa no hisy an’ilay sampana vaovao, ary tsy lavitra an’i Buenos Aires, renivohitr’i Arzantina, no misy azy.

 

Aogositra 2018: Efa herintaona sy tapany ny rahalahy sy anabavy folo no nanao ny planina.

Septambra 2018: Lavaka be no hadina mba hanaovana fototra fanampiny ho an’ny andrin-trano. Andry boribory 103 mirefy 38 metatra no hatao any ambanin’ny tany mba hahamafy orina kokoa an’ilay trano, satria malemilemy ilay karazan-tany.

Novambra 2018: Grue 33 metatra no ampiasaina mandritra an’ilay tetikasa.

Novambra 2018: Zava-dehibe amin’ny rehetra ny mitandrina ny aro loza, toy izay ataon’ireto rahalahy manambatra grue ireto.

Janoary 2019: Fitaovana matanjaka be no mandavaka eo amin’ny toerana hisy ny ascenseur.

Martsa 2019: Asiana vy ny fototry ny tranobe iray mba hahamafy kokoa azy, alohan’ny handrarahana ny simenitra.