Hijery ny anatiny

22 NOVAMBRA 2018
AZERBAÏDJAN

Ekena ho Fikambanana Ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah any Bakou, Azerbaïdjan

Ekena ho Fikambanana Ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah any Bakou, Azerbaïdjan

Nosoratan’ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Bakou, renivohitr’i Azerbaïdjan, tamin’ny 8 Novambra 2018. Arovan’ny lalàna kokoa izao ny rahalahintsika rehefa manao zavatra mifandray amin’ny fivavahana sy mitory ao amin’io tanàna io.

Manantena isika hoe hisy vokany tsara amin’ny mpiara-manompo any amin’ny faritra hafa any Azerbaïdjan iny fanapahan-kevitra iny ka mba ho voasoratra ara-dalàna koa ny fikambanan’izy ireo. Misaotra an’i Jehovah isika satria lasa mafy orina araka ny lalàna ny fivavahantsika any Bakou, noho ny mpitondra fanjakana tsara fanahy.—Filipianina 1:7.