15 OKTOBRA 2024
BREZILA
Manaja ny Zon’ny Marary Hisafidy Izay Fitsaboana Tiany ny Fitsarana Tampon’i Brezila
Mitovy Hevitra ny Mpitsara Rehetra Tamin’ny Raharaha Roa Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Namoaka didim-pitsarana miavaka ny Fitsarana Tampon’i Brezila, tamin’ny 25 Septambra 2024. Nilaza izy io hoe manana zo handa fampidiran-dra ny olon-dehibe marary ary afaka mifidy fitsaboana tsy ampiasana ra. Namoaka didy koa ilay Fitsarana hoe tsy maintsy ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana azo antoka hoe mahazo fitsaboana tsy ampiasana ra ny olona tsy manaiky hampidiran-dra noho ny safidiny na noho ny zavatra inoany.
Mifandray amin’ny raharaha mahakasika Vavolombelon’i Jehovah roa any Brezila ilay didy. Tsy nosoniavin’ny Ranabavy Malvina Silva ny fifanekena manome alalana ny mpitsabo azy mba hampiditra ra mandritra ny fandidiana fo tokony ho natao taminy tamin’ny 2018. Tsy nataon’ilay hopitaly àry ilay fandidiana. Efa ho roa taona tatỳ aoriana vao nahazo fitsaboana mifanaraka amin’ny finoany i Malvina.
Tokony ho nodidiana koa ny Rahalahy Heli de Souza tamin’ny 2014. Tsy nanana ny fitaovana nilaina tamin’ny fandidiana tsy ampiasana ra anefa ny hopitaly tao amin’ny toerana nisy azy. Nangataka ny hafindra tany amin’ny hopitaly iray vonona ny handidy azy sady manaja ny finoany sy ny feon’ny fieritreretany àry i Heli, nefa nolavin’ny fanjakana ny fangatahany. Mbola miandry ny fandidiana azy i Heli amin’izao. Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila no miatrika olana hoatr’izany. Nisy tamin’izy ireo aza noterena hampidiran-dra.
Hoy ilay Mpitsara atao hoe Luís Roberto Barroso, izay nitarika an’ilay raharaham-pitsarana: “Ny zo handa tsy hampidiran-dra noho ny zavatra inoana, dia mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana momba ny zo maha olona sy ny fahalalahana ara-pivavahana. Mifanaraka amin’ny zo ho velona sy ho salama àry, dia manana zo hanaraka fitsaboana hafa [ny Vavolombelon’i Jehovah] ary afaka mandà fitsaboana misy fampidiran-dra, raha izany no safidiny.”
Noho io didim-pitsarana io, dia asaina manaja ny zon’ny marary hisafidy izay fitsaboana tiany harahina ny fitsarana manerana an’i Brezila. Mitovy amin’ny didim-pitsarana noraisin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny tany hafa izy io, anisan’izany Afrika Atsimo, Aostralia, Etazonia, Japon, ary Kanada. Mitovy amin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona tamin’ny 17 Septambra 2024 koa izy io. Firenena 46 any Eoropa no tsy maintsy manaja ny zon’ny marary hisafidy izay fitsaboana tiany, vokatry ny fanapahan-kevitra noraisin’ilay Filan-kevitra.
Faly isika hoe nanapa-kevitra ny hanaja ny finoan’ny mponina rehetra ao aminy sy ny zon’izy ireo hisafidy izay fitsaboana tiany ny Fitsarana Tampony any Brezila.