6 NOVAMBRA 2024
CUBA
Nandravarava An’i Cuba ny Rivo-doza Oscar
Niditra an-tanety tany akaikin’i Baracoa, ao amin’ny faritr’i Guantánamo, any atsinanan’i Cuba, ny Rivo-doza Oscar tamin’ny 20 Oktobra 2024. Sokajy voalohany no misy an’io rivo-doza io, ary nahatratra 120 kilaometatra isan’ora ny rivotra nentiny. Tena nanimba ny fitaovana mitondra herinaratra tao amin’ilay faritra izy io. Nahatratra 38 santimetatra ny rotsakorana tany amin’ny faritra atsinanan’i Cuba, ka betsaka ny trano sy ny fivarotana ary ny voly tototry ny rano. Trano 2 000 mahery no simba ary olona fito, fara fahakeliny, no maty.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Nampalahelo fa nisy anabavy zokiolona iray maty
Mpitory 2 no naratra
Mpitory 14 no nafindra toerana
Trano 13 no rava. Fanaovana fivoriana ny 2 tamin’ireo
Trano 22 no simba be
Trano 5 no misy simba kely
Fanampiana tra-boina
Nampahery sy nanome ny zavatra ilain’ireo tra-boina ny solontenan’ny sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy teo an-toerana
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 2 no notendrena handamina ny fanampiana tra-boina
Malahelo isika satria betsaka ny zavatra simba tamin’iny rivo-doza iny, ary nisy koa ny olona maty. Matoky anefa isika fa hanohana an’izay rehetra miantehitra aminy i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.—Salamo 55:22.