Hijery ny anatiny

Ankavia: Mpitsidika tamin’ilay fampirantiana. Afovoany: Fidirana ao amin’ny La Modelo, any Barcelone, any Espaina. Ankavanana: Fampisehoana ny kopian’ny taratasy nosoratan’ny rahalahy iray ho an’ny vadiny, tamin’ilay rahalahy nigadra

5 DESAMBRA 2023
ESPAINA

Naseho Tamin’ny Fampirantiana Tany Espaina hoe “Nogadraina Noho ny Feon’ny Fieritreretany” ny Vavolombelon’i Jehovah

Naseho Tamin’ny Fampirantiana Tany Espaina hoe “Nogadraina Noho ny Feon’ny Fieritreretany” ny Vavolombelon’i Jehovah

Nentina nitsidika tao amin’ny fonjan’i La Modelo taloha ireo mpitsidika

Nisy an’ilay fampirantiana manokana hoe “Nogadraina Noho ny Feon’ny Fieritreretany” tao amin’ilay fonja taloha antsoina hoe La Modelo, any Barcelone, any Espaina, tamin’ny 14 Oktobra ka hatramin’ny 16 Desambra 2023. Efa lasa tranombakoka sady foibe ara-kolontsaina mantsy io fonja io izao. Nizara efatra ilay fampirantiana, ary natao ilay izy mba hampahafantarana ny besinimaro, an’izany ny mpitondra fanjakana sy ny mpampianatra, hoe nanana finoana matanjaka ireo tanora Vavolombelon’i Jehovah tsy nety nanao raharaha miaramila.

Naseho tamin’ilay fampirantiana ny tantaran’ireo rahalahintsika tany Espaina, izay nogadraina nanomboka tamin’ny taona 1930 teo ho eo satria nifidy hoe tsy handray anjara amin’ny raharaha miaramila. Efa ho 1 000 latsaka kely ny isan’ny rahalahy nogadraina, teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1970, dia ny 40 mahery amin’ireo no nigadra tao amin’ny fonjan’i La Modelo.

Afisy mampiseho ny sasany an’ireo nogadraina noho ny feon’ny fieritreretany

Hita tamin’ilay fampirantiana hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no nifidy ny tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany, ary hoe hoatran’ny ahoana ny fiainan’ireo tanora Vavolombelona ireo tany am-ponja. Be herim-po sy tsy nivadika nandritra ny am-polony taona maro ireo rahalahintsika ireo, ka lasa neken’ny fitondrana tany Espaina tamin’ny 1984 hoe manana zo tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona tsirairay.

Nomena fitenenana ny mpahay tantara antsoina hoe Miguel Ángel Plaza tamin’ny lanonana fanokafana an’ilay fampirantiana. Efa be dia be tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah nigadra tao amin’ny fonjan’i La Modelo no niresahany. Hoy izy momba an’ireny Vavolombelona ireny: “Tsy nisy tamin’ireny Vavolombelona ireny nanakiana na nanaratsy ny zavatra niainany tao amin’ny fonjan’i La Modelo. Na ny mpiambina fonja aza tsy noharatsin-dry zareo. Nitsikitsiky daholo ry zareo rehefa nitantara an’izay nanjo azy.” Nanatrika an’ilay lanonana fanokafana an’ilay fampirantiana koa ny Rahalahy Fernando Trepat, iray amin’ireo Vavolombelona nigadra tao amin’ny fonjan’i La Modelo. Hoy izy: “Mbola resy lahatra aho izao, na dia efa 50 taona atỳ aoriana aza, hoe ny torolalan’ny Baiboly no nanampy ahy hanao safidy tsara. Mbola tsy miova amin’iny safidiko iny aho hatramin’izao.”

Hoy ny Rahalahy David Báidez, anisan’ny nandamina an’ilay fampirantiana: “Marina hoe tantara efa lasa no asongadina amin’ity fampirantiana ity, nefa tena ilaina amin’izao ilay izy. Misy 200 eo ho eo mantsy izao ny Vavolombelon’i Jehovah gadraina noho ny finoany, any amin’ny firenena samihafa.”

Ny sasany tamin’ireo rahalahy sy anabavy nitondra mpitsidika tamin’ilay fampirantiana tao La Modelo

Tena faly isika hoe tsy nivadika sy niaritra nandritra ny taona maro ireo rahalahintsika any Espaina, dia hivavaka foana isika ho an’ireo rahalahintsika mbola migadra noho ny finoany.​—Hebreo 13:3.