17 OKTOBRA 2024
ETAZONIA
Nandravarava An’i Floride, any Etazonia, ny Rivo-doza Milton
Tafiditra tao amin’ny morontsirak’i Floride, any Etazonia, ilay rivo-doza mahery antsoina hoe Milton tamin’ny 9 Oktobra 2024, ary nandravarava be tany. Mbola tsy ampy tapa-bolana talohan’izay anefa no namely an’io faritra io ny Rivo-doza Helene. Vao mainka àry nitombo ny tondra-drano sy ny zavatra simba. Nahatratra 289 kilaometatra isan’ora ny rivotra nentin’i Milton. Nahatratra 45 santimetatra koa ny rotsakorana tany amin’ny faritra amoron-tsiraka sasany ary 3 metatra ny haavon’ny onjan-dranomasina, ka nahatonga tondra-drano be.
Ankoatra izay, dia nisy 38, fara fahakeliny, ny rambondanitra niforona tany amin’ny faritra atsimo sy afovoan’i Floride noho ilay Rivo-doza Milton, ka be dia be ny zavatra simba. Efa ho 80 000 ny olona tsy mbola manana jiro, ary 24, fara fahakeliny, ny olona maty.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty
Mpitory 2 no naratra mafy
Mpitory 4 no naratra kely
Mpitory 9 949 no nafindra toerana
Trano 16 no rava
Trano 235 no simba be
Trano 1 398 no misy simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no misy simba kely
Efitrano Fanjakana 30 no mbola tsy misy jiro sady tsy azo ampiasaina
Fanampiana tra-boina
Nandefa taratasy tany amin’ny fiangonana 800 mahery handalovan’ilay Rivo-doza Milton ny sampan’i Etazonia, roa andro talohan’ny nidiran’ilay izy an-tanety. Nisy ny fanazavana nilain’ireo te hifindra toerana tao amin’ilay izy
Manome an’izay ilain’ireo tra-boina vokatry ny Rivo-doza Helene sy Milton ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana, sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 3 no natsangana mba handamina ny fanampiana ny tra-boina vokatr’ireo rivo-doza roa ireo
Vavolombelona an-jatony any Géorgie sy Caroline Atsimo no mampiantrano an’ireo rahalahy sy anabaviny nafindra toerana
Mivavaka isika mpiara-manompo maneran-tany hoe enga anie i Jehovah mba hanome “fialofana sy fiarovana” foana ho an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina vokatr’ireny rivo-doza mahery vao haingana ireny.—Isaia 4:6.