Hijery ny anatiny

8 SEPTAMBRA 2017
ETAZONIA

Vaovao Voalohandohany Momba ny Rivo-doza Irma

Vaovao Voalohandohany Momba ny Rivo-doza Irma

Anisan’ny rivo-doza mahery indrindra namely an’i Atlantika ilay tamin’ny 5 Septambra 2017 ary nampihotsaka tany. Efa nandravarava nosy maromaro tany Karaiba koa izy io. Araka ny tatitra voaray hatreto dia tsy nisy maty na naratra tamin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Simba kosa ny Efitrano Fanjakana iray any La Désirade, Goadelopy, sy ny Efitrano iray any Saint-Barts, ary ny Efitrano Fivoriambe any Saint-Martin.

Ny nosin’i Barbuda no tena voa mafy, ka tombanana ho ny antsasaky ny mponina no tsy manan-kialofana. Efa nandidy ny mponina rehetra tao amin’ilay nosy ny fanjakana mba hialan’izy ireo tao ka hifindrany any Antigua, anisan’izany ny mpiara-manompo amintsika 11. Misy rivo-doza hafa indray mantsy, izay atao hoe José, mety handalo any Karaiba amin’ny faran’ny herinandro.

Efa mandamin-javatra mialoha ny rahalahy any mba hikarakarana an’izay mety ho tra-boina satria mbola manohy ny diany mianavaratra mankany Bahamas, any Cuba, sy any atsimoatsinanan’i Etazonia ilay Rivo-doza Irma. Tafiditra amin’izany ny hoe mitady trano mialoha ho an’ny rahalahy sy anabavy mety hafindra toerana.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000