Hijery ny anatiny

31 AOGOSITRA 2017
HONG-KONG

Namely An’i Hong-Kong sy Macau ny Rivo-doza Hato

Namely An’i Hong-Kong sy Macau ny Rivo-doza Hato

Namely ny faritra atsimon’i Chine, anisan’izany i Hong-Kong sy Macau, ny rivo-doza mahery atao hoe Hato, tamin’ny alarobia 23 Aogositra. Olona 34 no naratra tany Hong-Kong fa tsy nisy maty. Olona 9 kosa, fara fahakeliny, no maty tany Macau, ary 153 no naratra.

Manara-maso ny asan’ny Vavolombelona any Macau koa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Hong-Kong, ary nandefa tatitra hoe tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah matin’ilay rivo-doza. Betsaka anefa no tsy manana rano fisotro madio any Macau ary tapaka ny jiro any amin’ny faritra maro. Miara-miasa amin’ny Vavolombelona any an-toerana ny biraon’ny sampana mba hanomezana rano madio sy zavatra hafa ho an’ny mpiara-manompo any.

Misy Vavolombelon’i Jehovah 5 500 mahery any Hong-Kong, ary 320 ny any Macau.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Hong-Kong: Danny Steensen, +852-3950-3500