29 MARTSA 2022
INDE
Navoaka Tamin’ny Teny Konkani Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio
Navoaka tamin’ny teny konkani amin’ny soratra romanina Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio, tamin’ny 27 Martsa 2022. Nalaina video mialoha ilay fandaharana dia nalefa tamin’ny mpanatrika 600 teo ho eo. Tonga dia azo nalaina tamin’ny endrika elektronika isan-karazany ilay Bokin’i Matio. Hahazo an’ilay boky vita pirinty izy ireo ao aoriana kely ao, fa amin’ity taona ity ihany.
Anisan’ny teny ofisialy 23 ampiasaina any Inde ny teny konkani. Ny karana any amin’ny morontsiraka andrefan’ny Inde no tena mampiasa an’io fiteny io. Tamin’ny 1957 no nanomboka nitory tamin’ny teny konkani ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy mpisava lalana manokana notendrena hitory tany tamin’izany. Tamin’ny 1959 no nisy fiangonana miteny konkani voalohany.
Vitsy ihany ny Baiboly amin’ny teny konkani azo nampiasaina talohan’ny 1974. Nisy Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny konkani nivoaka anefa tamin’io taona io. Tamin’ny 2006 indray ny Soratra Hebreo no nivoaka. Tsy mahazatra ny olona miteny konkani anefa ny voambolana sasany ampiasaina ao amin’ireo fandikan-teny ireo.
Nandray soa avy amin’ny fitaovana fampianarana navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fiteny konkani ny mpitory miteny konkani, saingy tsy nanana Baiboly marina tsara azon’izy ireo nampiasaina. Izao, ohatra, no nolazain’ny mpandika teny anankiray: “Izao no nandikana ny Matio 6:33 ao amin’ilay Baiboly nampiasainay taloha: ‘Ny mandeha araka ny fitsipiky ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny manao izay ankasitrahany no tena tokony himasoantsika.’ Amin’izao anefa mazava sy mora azo io andininy io ao amin’ilay Bokin’i Matio vao nivoaka.”
Izao koa no nolazain’ny mpandika teny iray: “Azo lazaina hoe vitsy ny isan’ny mpitory mampiasa an’io fiteny io. Hitan’i Jehovah anefa izahay rehetra matoa nahazo ny Bokin’i Matio ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteninay.”
Matoky isika hoe hanampy ny rahalahintsika miteny konkani hitaona ny olona hanatona an’i Jehovah io fandikan-teny vaovao io.—Jaona 6:44.