11 NOVAMBRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Tetikasan’ny Foibe: Ramapo
Lasa Afaka Mangataka Fahazoan-dalana Hanomboka An’ilay Tetik’asa Isika
Neken’ny Biraon’ny Fanaovana Planina any Ramapo tamin’ny 9 Novambra 2022, hoe hasiana fanovana ny fitsipika momba ny hoe ahoana no azo ampiasana ny trano na ny tany. Ho afaka hangataka fahazoan-dalana manokana sy hanomboka an’ilay tetik’asa ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (CPC) ny Ramapo noho izany. a
Ankoatra an’io fanovana farany io, dia nitarina sy novana kely ny lalana miditra ao Ramapo. Efa vitan’ny mpiasa an-tsitrapo koa ny nanamboatra an’ilay tetezana efa tranainy be eo amin’ilay lalana akaikin’ny fidirana amin’ilay toerana. Anisan’ny fanamboarana natao ny hoe nanitatra ny hangezan’ilay tetezana, dia nohamafisina koa ilay izy mba ho afaka hankao ny fiara be mpitondra entana sy ny fiara manao vonjy taitra. Tsy maintsy mandalo eo amin’ilay tetezana daholo ny aotomobilina rehetra, mandritra ny tapany voalohany amin’ilay fanorenana.
Hoy ny Rahalahy Matthew Mordecki, miasa ao amin’ny CPC: “Satria novana ilay fitsipika hoe ahoana no azo ampiasana ny trano sy ny tany, dia lasa afaka mangataka fahazoan-dalana manokana sy hanomboka an’ilay tetik’asa izahay. Io fahazoan-dalana io no hahafahanay manomboka manadio an’ilay toerana haingana araka izay azo atao, amin’ny Desambra 2022.”
Mivavaka isika mba hataon’i Jehovah “mahomby” ny rahalahy sy anabavy miasa mivantana amin’io tetik’asa io.—Nehemia 1:11.
a Talohan’ilay fanovana dia saika hatao tranon’ny be taona sy ny kilemaina ilay toerana