Hijery ny anatiny

Tamin’ny 1 Aprily 2022, dia miverina misokatra indray ny toeram-pivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa avy nikatona roa taona

5 APRILY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Miverina Mivory Mivantana ny Vavolombelon’i Jehovah

Miverina Mivory Mivantana ny Vavolombelon’i Jehovah

Miverina mivory mivantana ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1 Aprily 2022. Mety ho nanahy kely ihany angamba ny rahalahy sy anabavintsika sasany nefa vetivety izany dia nisinda. Faly be izy ireo ary nisy aza latsa-dranomaso mihitsy. Nafana fo nihira ny hiran’ilay Fanjakana koa izy ireo.

Izay vao nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny olona sasany.

Hoy ny Rahalahy Krzysztof Hoszowski, any Polonina: “Sambany aho vao nivory mivantana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tamin’ny vidéoconférence no nahalalako ny fahamarinana, dia nalefa tamin’ny Zoom ny batisako. Efa haiko ihany hoe hoatran’ny ahoana izany fivoriana mivantana izany satria be dia be ny video nojereko momba ny fivoriana. Faly be anefa aho izao satria izaho mihitsy no mahatsapa hoe tena mifankatia sy faly ary tsara fanahy ny olona any am-pivoriana.”

Natao tamin’ny alalan’ny vidéoconférence ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny Martsa 2020, rehefa nanomboka niparitaka ny COVID-19. Mbola afaka manatrika fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence ihany izay tsy afaka mivory mivantana, amin’izao.

Hoy ny Rahalahy Neil Campbell any Édimbourg, Ekosy: “Raha vao nandeha ny hira voalohany ka nanomboka nihira aho, dia nihetsi-po be satria faly loatra. Faly aho hoe tafaraka amin’ny mpiara-manompo indray tao anatin’izay roa taona izay.”

Misaotra an’i Jehovah isika satria notahiny ilay fandaharana hoe miverina mivory indray isika.​—Salamo 84:10.

 

Alemaina

Angola

Aostralia

Armenia

Ekoatera

Ekosy

Espaina

Gresy

Guinée

Holandy

Japon

Kazakhstan

Korea Atsimo

Malawi

Philippines

Repoblika Tseky

Romania

Soudan

Tailandy