2 OKTOBRA 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Nahatonga Tondra-drano Be Tany Amin’ny Faritra Sasany any Eoropa Afovoany Ilay Rivo-doza Boris
Nitondra oram-be sy rivotra mahery tany amin’ny faritra sasany any Eoropa Afovoany ny rivo-doza Boris, nanomboka tamin’ny 11 Septambra 2024. Namely ny faritra atsimon’i Polonina izy io tamin’ny 12 Septambra. Nahatratra 20 santimetatra ny rotsakorana tany amin’ny toerana sasany tao anatin’ny 24 ora, ka be dia be ny tanàna tondra-drano. Nanimba ny foto-drafitrasa koa ilay oram-be naharitra ela be, ka an’arivony no lasa tsy nanana herinaratra. Namely ny faritra avaratr’i Repoblika Tseky ilay rivo-doza ny ampitson’iny, izany hoe ny 13 Septambra, ka nahatratra 50 santimetatra mahery ny rotsakorana tany. Be dia be ny trano sy lalana ary tetezana simba be vokatr’izany.
Tanàna maromaro tany Romania avy eo no tondra-drano tamin’ny 14 Septambra, satria nisy rotsakorana 25 santimetatra teo ho eo tany. Trano 5 000 teo ho eo no simba, ary tohodrano roa no vaky tany Galați. Tonga tany amin’ny faritra avaratr’i Italia ilay rivo-doza tamin’ny 18 Septambra. Nisy rotsakorana efa ho 30 santimetatra tany amin’ny toerana maro tao anatin’ny 48 ora fotsiny, ka tondraka ny renirano.
Olona an’arivony tany amin’ireo tany efatra ireo no voatery nifindra toerana ary 19, fara fahakeliny, no maty.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Repoblika Tseky
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 79 no nafindra toerana
Trano 12 no simba be
Trano 2 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no simba be
Efitrano Fanjakana 1 no nisy simba kely
Italia
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 63 no nafindra toerana
Trano 7 no simba be
Trano 21 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no simba be
Efitrano Fanjakana 4 no nisy simba kely
Polonina
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 87 no nafindra toerana
Trano 61 no simba be
Trano 85 no nisy simba kely
Efitrano Fanjakana 2 no simba be
Efitrano Fanjakana 8 no nisy simba kely
Romania
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika maty na naratra
Mpitory 1 no nafindra toerana
Trano 2 no simba be
Trano 5 no nisy simba kely
Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba na rava
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky miisa 6 no notendrena hiandraikitra ny fanampiana tra-boina
Manampy ny tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy, sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly
Mivavaka foana ho an’ireo izay tratran’iny tondra-drano be iny isika, sady matoky hoe hampahery sy hanohana azy ireo i Jehovah.—Isaia 40:11.