21 APRILY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
Olona An-tapitrisany no Niara-nanatrika ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy
Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany, niaraka tamin’ny olona nasain-dry zareo, no nanatrika ny fahatsiarovana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, tamin’ny 15 Aprily 2022. Izay indray vao afaka nanatrika nivantana an’io fandaharana io ry zareo, taorian’ny 2019. Nanaraka tamin’ny Internet an’ilay fandaharana nalamina isaky ny fiangonana izay olona tsy afaka nanatrika an’ilay izy nivantana.
Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy no fivoriana miavaka indrindra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny taona. Noho ilay valan’aretina COVID-19, dia natao tamin’ny vidéoconférence ilay fandaharana nandritra ny roa taona lasa. Olona 21 tapitrisa mahery no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2021.
Betsaka ny olona tamin’ity no sambany vao nanatrika Fahatsiarovana nivantana, anisan’izany i Markensia Remy, avy any Haïti. Herintaona izay izy no vita batisa. Nilaza izy hoe: “Faly be aho satria afaka nanatrika Fahatsiarovana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy hitako izay hilazana ny hafaliana tsapako. Hoatran’ny hoe ao anaty fianakaviana mahafinaritra be izany aho.”
Misaotra an’i Jehovah isika fa tena notahiny ny fankalazana Fahatsiarovana tamin’ity taona ity. Misaotra manokana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany isika nampiseho an’ilay porofom-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay.—Jaona 3:16.
Arzantina
Bolivia
Brezila
Kambôdza
Centrafrique
Nosy Cook
Ekoatera
Indonezia
Israely
Japon
Kazakhstan
Kosovo
Meksika
Paragoay
Peroa
Philippines
Polonina
Romania
Espaina
Taïwan
Ukraine
Etazonia
Venezoelà