17 AOGOSITRA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA
“Vaovao Tsara ao Amin’ny Internet”
Feno 25 Taona ny Tranonkalan’ny Vavolombelon’i Jehovah Maneran-tany
Efa 25 taona izay ny Vavolombelon’i Jehovah no nanana tranonkala ofisialy ao amin’ny Internet. Ilay lahatsoratra hoe “Vaovao Tsara ao Amin’ny Internet”, tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1997, no nampahafantatra an’ilay tranonkala vaovao hoe watchtower.org. Hoy ilay lahatsoratra: ‘Nampiditra fanazavana araka ny marina momba ny finoana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Internet ny Fikambanana. … Tsy natao hamoahana boky sy gazety vaovao akory ilay tranonkala, fa mba hahazoan’ny olona fanazavana amin’ny endriny elektronika.’
Afaka naka taratasy mivalona, sy bokikely, ary lahatsoratra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ny olona nanomboka tamin’izay. Tamin’ny 15 Janoary 1997 no nivoaka voalohany ny tranonkala watchtower.org. Dia tamin’ny 1999 no nanomboka nivoaka ny jw-media.org. Nampita vaovao farany sady marina tsara momba ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fampitam-baovao izy io, anisan’izany ny vaovao ara-pitsarana sy ny zavatra hafa nataon’ny fandaminana.
Tamin’ny 2005 indray ny jw.org no nivoaka. Lasa azo natao ny naka boky sy gazety ary zavatra noraisim-peo tao amin’izy io, tatỳ aoriana.
Natambatra lasa anankiray ireo tranonkala telo ireo tamin’ny Aogositra 2012, dia natao tao amin’ny jw.org. Izao no nolazain’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Desambra 2012 momba an’ilay tranonkala nohavaozina: ‘Ny ampahatelony eo ho eo amin’ny mponina eran-tany no mampiasa Internet. Io no fitaovana tena fampiasan’ny ankamaroan’ny olona mba hijerena fanazavana, indrindra fa ny tanora. . . . Tonga any amin’ny toerana tsy dia andrenesana ny hafatra momba ilay Fanjakana àry ny vaovao tsara.’
Lasa nitombo be ny zavatra nivoaka tao amin’ny JW.ORG, anisan’izany ny lahatsoratra sy ny zavatra noraisim-peo ary video. Nisy tamin’ny fiteny 411 ny zavatra azo nalaina tao. Lasa nisy tamin’ny fiteny 1 000 anefa ny zavatra tao amin’ilay tranonkala, fito taona taorian’ny nanavaozana azy tamin’ny 2012. Anisan’ireo fiteny 1 000 ireo koa ny tenin’ny tanana 100. Io ny tranonkala misy amin’ny fiteny betsaka indrindra.
Lasa fitaovana tena niasa be mihitsy ny JW.ORG rehefa nanomboka ny valanaretina COVID-19. Be dia be no lasa nampiasa azy io rehefa tsy afaka nivory nivantana intsony ny fiangonana sady nihasarotra ny nanao pirinty sy nizara ny boky sy gazety. Tamin’ny andron’ny fahatsiarovana, tamin’ny 7 Aprily 2020, no betsaka indrindra noho ny hatramin’izay ny olona nitsidika an’io tranonkala io. Mihoatran’ny fito tapitrisa no nitsidika azy io tamin’izay. Efa 1 000 tapitrisa ny olona nitsidika ny JW.ORG tamin’ny taona 2020, nefa 800 tapitrisa izany tamin’ny 2019. Telo tapitrisa eo ho eo isan’andro ny olona mitsidika azy io nanomboka tamin’ny Janoary 2022.
Nanampy olona mba tsy hitsara an-tendrony ny Vavolombelon’i Jehovah intsony ny fanazavana marina tsara ao amin’ny jw.org. Nilaza, ohatra, i Tenesha Gordon hoe: “Tiako be hoe mora kely ny mahita fanazavana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra hoe iza ry zareo, dia inona no zavatra inoany, ary avy aiza ny zavatra inoan’izy ireo. Nanampy an’ahy tsy ho diso hevitra momba an-dry zareo intsony mantsy izany.”
Natao batisa tamin’ny 2017 i Tenesha, ary lasa Betelita kilasimody any Jamaika izy izao.
Nilaza ny Rahalahy Clive Martin, mpiandraikitra ny sampan-draharaha mikarakara ny tranonkala jw.org, hoe: “Mahafinaritra be ny mahita ny fomba hampiasan’i Jehovah ny jw.org, mba hanampiana olona be dia be avy amin’ny firenena samihafa sy any amin’ny faritra rehetra maneran-tany mba haheno ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana.”
Misaotra an’i Jehovah isika amin’io fitaovana io satria mbola manampy antsika amin’ny asa fitoriana izy io sady hahafahantsika manaraka ny vaovao momba fandrosoan’ny fandaminana. Manampy ny fianakaviambe maneran-tany hiray saina koa izy io, sady manome voninahitra an’i Jehovah.—Salamo 145:1, 2.