Hijery ny anatiny

22 JANOARY 2018
ISRAELY

Naseho Tany Tel Aviv ny Zavatra Nataon’ny Nazia Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Naseho Tany Tel Aviv ny Zavatra Nataon’ny Nazia Tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah

TEL AVIV—Nanao fampirantiana tao amin’ilay toerana manan-tantara atao hoe Hatachana ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 26 Novambra ka hatramin’ny 2 Desambra 2017. Olona 1 700 teo ho eo no nitsidika an’ilay izy. Nahoana no natao ilay fampirantiana? Amin’izay mba fantatry ny olona kokoa hoe nampijalijalina ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia.

Horonan-tsary sy sary mampiseho an’izay nanjo ny Vavolombelona no tao amin’ilay fampirantiana. Nisy akanjo hoatran’ilay nanaovan-dry zareo tany amin’ny toby fitanana nazia koa tao. Nozairina tanana izy io, ary Vavolombelona tafavoaka velona avy tany no nanjaitra an’ilay izy. Nisy sary hoso-doko 27 koa teo afovoan’ilay fampirantiana, ary i Johannes Steyer (1908-1998) no nanao azy. Sary tamin’izy nogadraina no nampiasainy. Nataony sary koa izay zavatra tsaroany tany am-ponja. Nantsoina hoe “Ny Zava-nitranga Tany Buchenwald” io sangan’asany io, ary teo anelanelan’ny 1970 sy 1980 ilay izy no vitany. Vavolombelon’i Jehovah Atoa Steyer, ary folo taona be izao izy no nampijalin’ny Nazia. Imbetsaka izy no nogadraina tany amin’ny toby fitanana, ohatra hoe tany Buchenwald, Mauthausen, Sachsenburg, ary Sachsenhausen. Tsy mba nanaja ny maha olona mihitsy ireo fonja ireo.

Mpitsidika mijery an’ilay akanjo mitovitovy amin’ny nanaovan’ny gadra tany amin’ny toby. Vavolombelona tafavoaka velona avy tany no nanjaitra azy io tamin’ny tanana.

Profesora Yair Auron

Nilaza i Yair Auron, mpahay tantara israelianina sady profesora tao amin’ny oniversite iray any Israely, fa tena nety mihitsy hoe nasiana an’io fampirantiana io tany Tel Aviv. Hoy izy: “Tena ilaina mihitsy ny mitsidika an’ilay izy, indrindra moa fa ho an’ny ankizy any amin’ny lise. Zara raha mahafantatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny olona. Raha ny eto Israely moa, dia ny ankamaroany mihitsy no tsy mahafantatra momba an-dry zareo sy ny zavatra niaretany tamin’ny andron’ny Nazia.”

Nohazavain’i Mauro Trapanese, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Israely, ny antony nanaovana an’ilay fampirantiana. Hoy izy: “Tianay ho fantatry ny olona hoe nampijalin’ny fitondrana nazia ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy izay ihany fa tianay ho hitan’ny olona koa hoe hafa mihitsy ny zavatra niaretan-dry zareo, fa tsy hoatran’ny an’ny gadra hafa. Ny Vavolombelon’i Jehovah irery, ohatra, no notenenina hoe: ‘Vao miala amin’io fivavahanao io fotsiny ange ianao, dia mahazo mody e!’ Be dia be mihitsy ny olona tsy nahalala an’izany raha tsy rehefa nitsidika an’io fampirantiana io, dia soa ihany fa nampahafantarinay ilay izy! Nisy vokany be tamin’izay olona tonga tao mantsy izany.”

Profesora Gideon Greif

Hoy koa ny Profesora Gideon Greif, mpahay tantara mandalina momba an’izay nitranga tany amin’ny toby fitanana tany Auschwitz: “Anisan’ny olona tsy manan-tsiny nitondra faisana ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho ry zareo tsy te hampandefitra mihitsy ny zavatra inoany anefa no nahatonga an’izany. Sady tsy nety tamin’ny feon’ny fieritreretany mihitsy koa ilay hoe hilefitra.”

Profesora Batya Brutin

Rehefa avy nitsidika an’ilay fampirantiana ny Profesora Batya Brutin, mpikaroka momba ny Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia, dia niteny hoe: “Tsara mihitsy hoe nahafantatra ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia isika. Raha mba miezaka manaraka ny fitsipika arahin-dry zareo daholo mantsy isika, dia hilamina kokoa izao tontolo izao.”

Indray mandeha ihany ilay fampirantiana, ka efa niezahana naseho tao izay tsara ho fantatra momba an’izay nanjo ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola nisy solontena avy amina sekoly maromaro ihany anefa nangataka fanazavana fanampiny momba an’izay nitranga.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000

Israely: Mauro Trapanese, +972-54-568-1912