20 APRILY 2019
JAPON
Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina Amin’ny Teny Japoney
Navoakan’ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny japoney, tamin’ny asabotsy 13 Aprily 2019. Navoaka tamin’ny fivoriana manokana natao tao amin’ny Kianjan’i Noevir, any Kobe, Japon, ilay Baiboly nohavaozina, ary 20868 ny mpanatrika. Nalefa mivantana tany amin’ny Efitrano Fivoriambe valo sy Efitrano Fanjakana maro ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampana ilay fandaharana. Taoriana kelin’izay sy ny ampitson’iny, dia nalefa tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa ny video nisy an’ilay fandaharana manontolo, ho an’izay tsy afaka nanaraka azy mivantana. Raha atambatra àry ny olona nijery an’ilay fandaharana tamin’iny faran’ny herinandro iny, dia nisy 220491.
Miara-paly amin’ireo fiangonana sy antoko-mpitory ary antoko-mpitory santatra 2950 mahery miteny japoney eran-tany isika, amin’izao nahazoany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina izao! Fanomezana tena tsara avy amin’i Jehovah izy io ary azo ampiasaina amin’ny fianarana samirery sy eny amin’ny fanompoana.—Hebreo 4:12.
Navoaka voalohany tamin’ny teny japoney ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, 45 taona lasa izay. Tamin’ny 1973 ny Rahalahy Lyman Swingle, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’izany, no namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny japoney. Nisy Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Ny Fandresen’Andriamanitra” tamin’izay, tany Osaka, any Japon. Nandritra ny sivy taona taorian’ny namoahana azy, dia nahatratra 1140000 ny isan’ny nozaraina tamin’io Baiboly io. Efa ho avo 75 henin’ny isan’ny mpitory tany Japon izany. Tamin’ny 1982 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo no nivoaka, ary tany Japon ihany no natao ny pirinty sy ny fanakambanana azy. Taona miavaka ho an’ny vahoakan’i Jehovah any Japon koa izao ny 2019 satria taona nivoahan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina.
Efa voadika ho amin’ny fiteny 179 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy. Ny 22 amin’ireo no nohavaozina tanteraka, miainga avy amin’ilay Baiboly anglisy nohavaozina tamin’ny 2013.