Hijery ny anatiny

Trano misy ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Bichkek, any Kirghizistan

1 DESAMBRA 2021
KIRGHIZISTAN

Boky sy Gazety 13 Avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah no Tadiavin’ny Fitsarana any Kirghizistan Horarana

Boky sy Gazety 13 Avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah no Tadiavin’ny Fitsarana any Kirghizistan Horarana

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Bichkek, Kirghizistan, ny fiampangan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna hoe mampidi-doza ny boky sy gazety 13 avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2 Desambra 2021. Nataon’io Tonia Mpampanoa Lalàna io izay hahatongavan’ny fitsarana haingana, dia amin’izay ny rahalahintsika tsy manam-potoana firy hiomanana amin’ilay izy. Soa ihany anefa fa nahavita nanoratra taratasy fiarovan-tena avy amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania sy ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblika Kirghiz ny mpisolovava. Rehefa nandinika an’ireny fiarovan-tena ireny ny mpitsara dia nahita hoe tsy nanaraka ny lamina apetraky ny fitsarana ilay raharaha dia nolavin-dry zareo. Nanana folo andro ny mpampanoa lalàna hampakarana an’ilay raharaha taorian’ilay didy.

Amin’ny 2 Desambra 2021 ny fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Bichkek, any Kirghizistan, no hanapa-kevitra raha hosokajina hoe mampidi-doza ny boky sy gazety 13 avoakantsika na tsia. Hita amin’ireo antontan-taratasy fiampangana fa ny hanao hoatran’i Rosia no tanjona, izany hoe tsy boky sy gazety ihany no horarana. Voalaza ao amin’ny taratasy iray nalefan’ny Komitim-panjakana ho An’ny Filaminam-pirenena tamin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, ohatra, hoe “horarana aloha ny zavatra avoakan’io fikambanana ara-pivavahana io, dia avy eo hoeritreretina indray ny handrara ny asany eran’ny Repoblika Kirghiz.”