Hijery ny anatiny

30 DESAMBRA 2013
KIRGHIZISTAN

Miaro An’ireo Tsy Manao Miaramila ny Fitsaran’i Kirghizistan

Miaro An’ireo Tsy Manao Miaramila ny Fitsaran’i Kirghizistan

BICHKEK, Kirghizistan—Nanao fanambarana ny Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana ao amin’ny Fitsarana Tampony any Kirghizistan tamin’ny 19 Novambra 2013. Nilaza ny mpitsara rehetra tao fa tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny lalàna mifehy ny fanompoana sivily any Kirghizistan sady tsy manaja ny fahalalahana ara-pivavahana. Nasain’ilay fitsarana hanitsy an’ilay lalàna àry ny fitondram-panjakana, amin’izay dia ho afaka hanao fanompoana sivily tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha miaramila ireo tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Namoaka lalàna mamela ny olona hanao fanompoana sivily i Kirghizistan, tamin’ny 2009. Hita anefa fa ny miaramila ihany no niandraikitra an’ilay izy. Nasaina nandoa vola mba hanohanana ny tafika koa ny sasany ary lasa miaramila fiandry daholo izay nahavita fanompoana sivily. Tsy nety nanao an’ilay izy àry ny Vavolombelon’i Jehovah ka maro no notorina hoe mpanao heloka bevava.

Hita tamin’ilay fanambarana tamin’ny Novambra fa mitombina ny antony andavan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao an’ilay fanompoana sivily, sady tsy miezaka mitsoaka andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Hitan’ilay Fitsarana fa vonona hanao fanompoana tena sivily izy ireo. Antenaina àry fa haverina hodinihina indray ireo raharaha ara-pitsarana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hatao mifanaraka amin’ilay lalàna hahitsy.

Hoy i Khamit Iskakov, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan: “Noho iny fanambarana iny, dia voalamina ilay resaka hoe tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, sady vao mainka hitan’ireo manam-pahefana eto Kirghizistan fa fivavahana manana ny hajany ny Vavolombelon’i Jehovah sady misy maneran-tany.”

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Kirghizistan: Khamit Iskakov, tel. +996 770 778 885