Hijery ny anatiny

KIRGHIZISTAN

Fotoana Niavaka Tany Kirghizistan

Fotoana Niavaka Tany Kirghizistan
  1. 29 JONA 2015: Novan’ny fitondrana ny lalàna momba ny raharaha miaramila, ka navela hanao fanompoana sivily tsy eo ambany fahefan’ny miaramila ny olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany

  2. 4 SEPTAMBRA 2014: Nanambara ny Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana ao amin’ny Fitsarana Tampony fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ny ampahany amin’ilay Lalàna Momba ny Fivavahana navoaka tamin’ny 2008

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  3. JANOARY-APRILY 2014: Tsy noheverina intsony hoe mpanao heloka bevava ny Vavolombelona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany

  4. 19 NOVAMBRA 2013: Nilaza ny Filan-kevitra Momba ny Lalàm-panorenana ao amin’ny Fitsarana Tampony fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàm-panorenana ilay fanompoana sivily nasaina natao tamin’izany

  5. 31 DESAMBRA 2008: Nampiharina ny lalàna vaovao momba ny fivavahana

  6. 30 APRILY 1998: Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah

  7. 31 AOGOSITRA 1991: Nahazo fahaleovan-tena i Kirghizistan

  8. 1956: Voaray ny tatitra voalohany momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan