Hijery ny anatiny

1 JANOARY 2019
KIRGHIZISTAN

Mihatsara ny Toe-draharaha any Osh, Kirghizistan

Mihatsara ny Toe-draharaha any Osh, Kirghizistan

Nosoratan’ny Minisiteran’ny Fitsarana any Kirghizistan ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Osh, tanàn-dehibe faharoa lehibe indrindra any Kirghizistan, tamin’ny 30 Novambra 2018.

Efa nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan nanomboka tamin’ny 1998. Nampiharina tamin’ny 2008 anefa ny lalàna vaovao iray momba ny fivavahana, ka nanda foana ny manam-pahefana any amin’ny faritra atsimon’i Kirghizistan, anisan’izany ny any Osh, isaky ny nandefa fangatahana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hekena ho ara-dalàna. Matetika àry no heverin’ny manam-pahefana any amin’ireny tanàna ireny ho mandika lalàna ny mpiara-manompo amintsika rehefa mivory sy mitory. Anaovan’ny polisy bemidina, indraindray, ny tranon’ny mpiara-manompo na ny trano hofana hanaovana fivoriana.

Faly isika satria nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Osh. Hilamina kokoa izao ny Vavolombelona any Kirghizistan rehefa mivory sy mitory momba ny Baiboly.—1 Timoty 2:1-4.