Hijery ny anatiny

13 SEPTAMBRA 2023
MEKSIKA

Nivoaka Tamin’ny Tenim-paritra Alemà Ireo Boky Efatra Voalohany Amin’ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka Tamin’ny Tenim-paritra Alemà Ireo Boky Efatra Voalohany Amin’ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny tenim-paritra alemà ireo boky efatra voalohany amin’ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 25 Aogositra 2023. Ny Rahalahy Robert Batko, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany, no namoaka an’ireo boky vaovao ireo. Natao tao Cuauhtémoc, Chihuahua, any Meksika, ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Manàna Faharetana”!, ary tamin’ny andro voalohany tamin’io fivoriambe io no navoaka ireo boky ireo. Natao tamin’ny tenim-paritra alemà ilay fivoriambe, ary nisy 355 ny mpanatrika. Nivoaka tamin’io fotoana io ny endrika elektronika sy ny raki-peo amin’ireo boky ireo. Nozaraina tamin’io koa Ny Baiboly: Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio vita pirinty. Hatao pirinty kosa ireo boky telo hafa anisan’ny Filazantsara rehefa havoaka manontolo amin’ny tenim-paritra alemà Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Ampiasaina manerana an’ireo tanin’i Amerika ny tenim-paritra alemà, ary any Meksika io fiteny io no tena be mpampiasa.

Ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana ho an’ny tenim-paritra alemà, any Cuauhtémoc, Chihuahua, any Meksika

Efa hita sahady hoe manampy olona be dia be io fandikan-teny io. Hoy mantsy ny rahalahy iray: “Tsy mampiasa farango sosona ny Baiboly ampiasainay amin’izao, ka sarotra be ny mamantatra hoe iza no miteny amin’iza. Mora azo kosa anefa ity fandikan-teny vaovao ity.”

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavy mampiasa ny tenim-paritra alemà isika, ary matoky hoe hanampy olona maro be ‘hahalala tsara ny fahamarinana’ io fandikan-teny vaovao io.​—1 Timoty 2:3, 4.