Hijery ny anatiny

OUZBÉKISTAN

Fotoana Niavaka tany Ouzbékistan

Fotoana Niavaka tany Ouzbékistan
  1. 19 FEBROARY 2009: Nolavin’ny manam-pahefana ny fangatahana faha-16 nataon’ny Vavolombelona tany Tachkent hoe hosoratana ara-panjakana. Efa nolavina hoatr’izany koa ny fangatahana natao tamin’ny 1997, 1998, 2000, 2001, 2003, 2004, 2005, ary 2006

  2. 24 AOGOSITRA 2006: Nofoanan’ny fitondrana ny fanekena ho ara-panjakana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ferghana

  3. AOGOSITRA 1999: Nosoratan’ny fitondrana ho ara-panjakana indray ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tchirtchik sy Ferghana

  4. 1 MEY 1998: Napetraky ny fitondrana ny lalàna mifehy ny fikambanana ara-pivavahana sy manery an’ireny fikambanana ireny hisoratra ara-panjakana indray

  5. DESAMBRA 1996: Nolavin’ny fitondrana ny fangatahana voalohany nataon’ny Vavolombelona tany Tachkent hoe hosoratana ara-panjakana

  6. 17 DESAMBRA 1994: Nosoratan’ny fitondrana ho ara-panjakana ny Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tchirtchik sy Ferghana

  7. 8 DESAMBRA 1992: Napetraky ny fitondrana ny lalam-panorenana miantoka ny zo fototry ny olona tsirairay

  8. 1 SEPTAMBRA 1991: Lasa firenena mahaleo tena i Ouzbékistan

  9. Taorian’ny taona 1960: Voaray ny tatitra voalohany momba ny asa nataon’ny Vavolombelona tany Angren sy Tchirtchik