Hijery ny anatiny

25 SEPTAMBRA 2017
PORTO RICO

Vaovao Farany Momba ny Rivo-doza Maria Tany Porto Rico

Vaovao Farany Momba ny Rivo-doza Maria Tany Porto Rico

Vao 15 tamin’ireo mpiandraikitra ny faritra 19 no nahazoana tatitra, tamin’ny 25 Septambra 2017, momba ny Rivo-doza Maria tany Porto Rico. Voalaza fa Vavolombelona iray ihany no naratra. Mbola tsy voaray ny tatitra avy amin’ireo mpiandraikitra ny faritra efatra hafa any amin’ny faritra andrefan’ny nosy, satria ratsy be ny fifandraisana. Nomena môtô sy fiara mahazaka lalan-dratsy ny rahalahy sasany avy amin’ny faritra manodidina, mba hijery an’izay mitranga any andrefana.

Mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika foana isika.—Jakoba 5:16.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

David A. Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1-845-524-3000