16 FEBROARY 2022
ROSIA
Manam-paharetana ny Rahalahy Ivan Shulyuk dia Mahavita Miaritra Fanenjehana
Kely sisa dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Ivan Shulyuk ny fitsaran’i Nazarovo, ao amin’ny faritanin’i Krasnoïarsk. Mbola tsy fantatra ny sazy angatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy.
Zava-nitranga
18 Jona 2020
Nisy polisy mitam-piadiana nanao savahao ny tranon-dry Shulyuk ary nisambotra an’i Ivan. Notazonina tao amin’ny toerana iray izy
19 Jona 2020
Namoaka didy ny fitsarana hoe hampidirina am-ponja vonjimaika i Ivan
9 Jolay 2020
Nafahana avy any am-ponja. Tsy nahazo niresaka tamin’ny olona any ivelan’ny tranony, raha tsy hoe nahazo alalana. Lasa tsy afaka niasa, satria tsy nahazo nivoaka ny tranony nanomboka tamin’ny 6:00 maraina ka hatramin’ny 11:00 alina
14 Aogositra 2020
Notadiavin’ny mpanao famotorana hitarina ny fameperana ampiharina aminy. Tsy nekena anefa ilay izy satria tsara laza i Ivan. Nesorina ny ankamaroan’ny fameperana nampiharina taminy
17 Aogositra 2020
Tsy nahazo nanao dia lavitra izy
15 Septambra 2021
Nanomboka ny fitsarana azy
Ilay voampanga
Misaotra an’i Jehovah isika satria hainy “ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana mahazo azy.”—2 Petera 2:9.