Hijery ny anatiny

Havia miankavanana: Andrey Magliv, Vladimir Kulyasov, Galiya Olkhova, Tatyana Alushkina, Vladimir Alushkin, ary Denis Timoshin tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Leninsky, tamin’ny 5 Desambra 2019

17 DESAMBRA 2019
ROSIA

Melohin’i Rosia Higadra Enin-taona ny Rahalahy Alushkin ary Nahazo Sazy Mihantona ny Vavolombelona Dimy Hafa

Melohin’i Rosia Higadra Enin-taona ny Rahalahy Alushkin ary Nahazo Sazy Mihantona ny Vavolombelona Dimy Hafa

Namoaka didy nanameloka an’i Vladimir Alushkin higadra enin-taona ny Fitsaram-paritr’i Leninsky, any Penza, tamin’ny zoma maraina 13 Desambra 2019. Nasiana rojo vy teo no ho eo ny tanany ary tonga dia nentina tany am-ponja izy. Notsaraina niaraka taminy koa ny Vavolombelona dimy hafa, ary anisan’izany i Tatyana vadiny. Nomen’ilay fitsarana sazy mihantona higadra roa taona izy dimy (rahalahy telo sy anabavy roa) ary arahi-maso akaiky. Hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy enina mianadahy avy any Penza.

Araka ny efa voalaza tany aloha, dia tamin’ny 15 Jolay 2018 no nosamborina i Vladimir Alushkin. Niditra an-keriny tao an-tranony ny polisy maromaro nisaron-tava sy nitam-basy, tamin’izay. Efa ho adiny efatra ny polisy no nanao savahao ny tranony. Nalain’izy ireo daholo na finday na fitaovana elektronika na Baiboly na boky ara-baiboly. Nanao savahao tany amin’ny trano dimy ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa koa ny polisy, tamin’io andro io, ary nitondra Vavolombelona 40 teo ho eo tany amin’ny paositry ny polisy mba halaina am-bavany.

Nohazonin’ny polisy tao amin’ny efitra iray nandritra ny roa andro ny Rahalahy Alushkin, ary namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Penza avy eo hoe afindra toerana izy mba hotanana am-ponja vonjimaika mandritra ny roa volana. Nohalavain’ny fitsarana indroa ny fitanana azy any am-ponja, taorian’izay. Rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny enim-bolana latsaka kely izy, dia nambenana tao an-tranony, ary avy eo nogadraina nanomboka tamin’ny 13 Desambra.

Nampangaina ho mpanao heloka bevava niaraka tamin’ny Rahalahy Alushkin ny Vavolombelona dimy hafa, anisan’izany ny Rahalahy Vladimir Kulyasov sy Andrey Magliv ary Denis Timoshin. Nambenana tany an-tranony foana izy ireo nandritra ny fanadihadiana sy ny fitsarana azy ireo. Noferana kosa ny fahafahan’ny Ranabavy Tatyana Alushkina sy Galiya Olkhova hanao dia lavitra sy hifandray amin’ny hafa, nanomboka tamin’ny Febroary 2019.

Rehefa nosamborin’i Rosia sy nogadrainy tsy ara-drariny ny Rahalahy Alushkin, dia nanao tatitra nanameloka an’i Rosia ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny (WGAD) ao amin’ny Firenena Mikambana, tamin’ny Aogositra 2019. Nilaza ny WGAD, tao amin’io tatitra 12 pejy io, fa “tsy tokony ho nosamborina na notanana am-ponja vonjimaika Atoa Alushkin ary tsy tokony hiakatra fitsarana.” Nohamafisiny koa hoe tokony hafahana tsy misy hataka andro Atoa Alushkin satria izay no fomba tsara indrindra hampitsaharana ny tsy rariny atao aminy. Ilay tatitry ny WGAD, izay eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, no nampiasain’ny mpisolovavan’ireo rahalahy sy anabavy enina avy any Penza rehefa niaro azy ireo izy. Rehefa namaky an’ilay didy tamin’ny 13 Desambra anefa ny mpitsara, dia nilaza fa ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony any Rosia tamin’ny 2017, izay nandrara ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no manan-kery kokoa noho ny hevitry ny WGAD.

Rahalahy sy anabavy 18 izao no efa nomelohin’i Rosia tamin’ity taona ity, ka ny 9 amin’ireo no migadra mandritra ny fotoana samihafa. Rahalahy sy anabavy 40 mahery no tanana am-ponja vonjimaika ary 19 no ambenana any an-tranony. Efa ho 300 ny rahalahy sy anabavy manerana an’i Rosia ampangaina ho mpanao heloka bevava, noho ny finoany.

Malahelo isika maheno ny fanenjehana ny mpiara-manompo amintsika nefa tsy mahagaga antsika izany. Efa nolazaina mialoha mantsy hoe hitranga izany, ary efa nampanantena koa i Jehovah hoe hanohana ny mpanompony. Mivavaka isika mba ‘hitoetra amin’izy ireo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.’—1 Petera 4:12-14.