24 SEPTAMBRA 2021
ROSIA
Raha Tsy Zatra Nanao Zavatra Ara-panahy ny Rahalahy Maksim Beltikov Tsy ho Nanana Hery Hiaretana
VAOVAO FARANY | Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Maksim Beltikov
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pavlovskiy, any amin’ny Faritanin’i Krasnodar ny Rahalahy Maksim Beltikov tamin’ny 17 Janoary 2022. Voaheloka higadra roa taona ilay rahalahy, ary tonga dia mihatra ilay sazy.
Zava-nitranga
29 Jona 2020
Nivoaka ny didy hoe tsy mahazo mivoaka an’ilay faritra izy
23 Jona 2020
Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy. Izao ilay fiampangana: “Nandray anjara tamin’ny fampianarana fivavahana”, ka anisan’izany ny “nandaha-teny sy nihaino lahateny miorina amin’ny boky ara-pivavahana”
29 Aprily 2020
Nataon’ny manam-pahefana savahao ny tranon-dry Maksim. Natao famotorana izy avy eo
Ilay voampanga
Enga anie mba hiorina mafy sy hatanjaka tsara foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Zatra manao zavatra ara-panahy foana mantsy izy ireo, dia ny mpiara-manompo koa tena tia sy miahy azy ireo. Fantatsika fa hanohana azy ireo foana “ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.”—2 Korintianina 13:11.