8 APRILY 2021
ROSIA
Tsy Mivadika ny Anabavy Yekaterina Pegasheva, any Rosia, na dia Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava Aza
VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahan’ny Anabavy Yekaterina Pegasheva Hampakatra Fitsarana Ambony
Nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Mari El ny fangatahan’ny Anabavy Yekaterina Pegasheva tamin’ny 4 Aogositra 2021, rehefa nampakatra fitsarana ambony izy. Nohamafisina koa ilay sazy mihantona enin-taona sy tapany azony. Tsy mbola nampidirina am-ponja aloha izy izao.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Gornomariyskiy any amin’ny Repoblikan’i Mari El ny Anabavy Yekaterina Pegasheva, tamin’ny 31 Mey 2021. Nahazo sazy mihantona enin-taona sy tapany izy.
Ilay voampanga
Yekaterina Pegasheva
Teraka: 1989 (Gaintsy, Faritr’i Kirov)
Mombamomba azy: Vavitokana izy. Tia mamaky boky sy manoratra tononkalo, ary mihira. Mpanadio trano no asany. Dia nianatra ny fiteny Mari El izy mba hampitomboany ny fanompoany
Mombamomba an’ilay raharaha
Nosamborina tany Yoshkar-Ola renivohitr’i Mari El ny Ranabavy Pegasheva tamin’ny 3 Oktobra 2019. Nosavan’ny polisy ny tranony, ary nalain’izy ireo ny boky, sy fitaovana elektronika, sy taratsasy manokana momba azy, ary ny antontan-taratasy sasany. Voampanga ho nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana iray efa voarara i Yekaterina, satria niresaka zavatra ara-baiboly izy sy ireo mpiara-manompo aminy.
Notantarain’i Yekaterina hoe: “Notarihin’ireo polisy tampoka ho eny amin’ny arabe aho, dia avy eo natosiny teo amin’ny hazo iray, sady nataony tao andamosiko ny tanako. Mbola nahavita nivavaka fohy tamin’i Jehovah anefa aho, hoatran’i Nehemia. Amin’izay aho mahazo ny fanampiany.” Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 100 andro izy taorian’ny nisamborana azy. Nambenana tao an-tranony matetika koa izy.
Natao famotorana imbetsaka i Yekaterina tamin’izy notanana am-ponja vonjimaika. Tsapany anefa hoe nanampy azy ny zavatra efa nianarany tao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Notadidiko ny fampiofanana, sy ny fianarana azoko tamin’izaho nanatrika ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Tena nanatanjaka ahy ohatra ilay hoe: Mijoro eo anatrehan’i Jesosy Tompo koa ianao rehefa mamaly ny fanontanian’ny mpanohitra mandritra ny famotorana. Nanampy ahy hifehy tena sy hanaja an’ireo manam-pahefana izany, na dia niampanga ahy tsy ara-drariny aza ry zareo.”
Tsy mora tamin’ i Yekaterina ilay hoe nogadraina sy nambenana tao an-tranony nandritra ny herintaona latsaka. Lasa nisy vokany ratsy teo amin’ny fahasalamany koa ilay izy, sady tsy nafahany niasa. Vao mainka moa mafy taminy ilay hoe tsy afaka niaraka tamin’ny mamany sy ny bebeny. Na teo aza anefa ireo fitsapana ireo dia tapa-kevitra ny tsy hivadika i Yekaterina. Hoy izy: “Arakaraka ny haneren-dry zareo ahy, no vao mainka hitafiko ny fiadiana fanampiny avy amin’i Jehovah. Tsy matahotra na inona na inona aho amin’izao. Efa nanana herim-po ihany aho taloha, noho ny fanahin’Andriamanitra anefa dia vao mainka aho izaho be herim-po kokoa.
Na dia mbola miandry ny didim-pitsarana azy aza i Yekaterina, dia matoky isika hoe hiantehitra foana amin’i Jehovah izy, satria Jehovah manatanjaka ny mpanompony.—Eksodosy 15:2.