20 AOGOSITRA 2021 | VAOVAO FARANY: 28 Novambra 2022
ROSIA
VAOVAO FARANY: DIDIM-PITSARANA | Ampian’i Jehovah ny Rahalahy Telo sy ny Anabavy Iray any Dagestan na dia Migadra Aza
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kirovskiy any Makhachkala ny Rahalahy Marat Abdulgalimov, Arsen Abdullaev, Anton Dergalev, ary ny Ranabavy Mariya Karpova, tamin’ny 24 Novambra 2022. Nomena sazy mihantona enin-taona ka hatramin’ny enin-taona sy tapany izy ireo. Mbola tsy miditra am-ponja aloha izy ireo izao.
Zava-nitranga
27 Mey 2020
Lasa nambenana tao an-tranony i Marat, Arsen, Anton, ary Mariya, rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 362 andro, izany hoe herintaona latsaka kely
4 Jona 2019
Nasain’ny Fitsaram-paritr’i Sovetskiy any Makhachkala notanana am-ponja vonjimaika izy efatra mianadahy
1 Jona 2019
Nanao bemidina tany amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah 13 tany Dagestan ny polisy miafina rosianina, izany hoe ny polisin’ny FSB
27 Mey 2019
Nampangain’ny biraon’ny FSB any Dagestan ho mpanao heloka bevava i Marat, Arsen, Anton, ary Mariya
Ireo voampanga
Matoky tanteraka isika fa hanao zavatra mifanaraka amin’ny anarany i Jehovah Andriamanitra, ka ho tonga izay rehetra ilaina mba hiarovana sy hanampiana ny vahoakany.—Eksodosy 3:14.