Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Sergey Ashikhmin, Maksim Derendyaev, ary Aleksandr Kutin

8 JOLAY 2022 | VAOVAO FARANY: 13 MEY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Lasa Nahery Satria Nivavaka

VAOVAO FARANY: GADRAINA IREO RAHALAHY | Lasa Nahery Satria Nivavaka

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Ijevsk ny Rahalahy Sergey Ashikhmin sy Maksim Derendyaev ary Aleksandr Kutin, tamin’ny 13 Mey 2024. Samy voaheloka higadra telo taona avy ry zareo, ary tonga dia naiditra am-ponja raha vao niala tao amin’ny fitsarana.

Zava-nitranga

  1. 14 Aprily 2021

    Tranona Vavolombelon’i Jehovah 12 fara fahakeliny no nosavan’ny polisy avy ao amin’ny FSB. Nadinadinina nandritra ny adin’ny fito i Sergey. Notazonina sy natao am-ponja vonjimaika kosa i Maksim sy Aleksandr

  2. 15 Aprily 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika i Maksim sy Aleksandr

  3. 29 Aprily 2021

    Navoaka avy tany am-ponja i Aleksandr

  4. 14 Mey 2021

    Nambenana an-trano i Aleksandr

  5. 9 Jolay 2021

    Nafahana tany am-ponja i Maksim, dia nambenana an-trano

  6. 14 Martsa 2022

    Nanomboka notsaraina

Ireo voampanga

Tsy rariny ny zavatra mahazo ny rahalahintsika, nefa matoky an’i Jehovah ry zareo. Mampanantena mantsy izy hoe: “Aza matahotra fa manohana anao aho.”​—Isaia 43:5.