8 JONA 2022
ROSIA
VAOVAO FARANY: NAFAHANA ILAY RAHALAHY | Manohana Azy Ireo ny Mpiara-manompo
Nampakatra fitsarana ny Rahalahy Yuriy Baranov sy Nikolay Stepanov, ka namoaka didy mifandray amin’izany ny Fitsaram-paritr’i Vologda tamin’ny 10 Novambra 2022. Tsy niova ny sazin’i Yuriy. Lasa sazy mihantona efa-taona kosa no azon’i Nikolay, raha sazy mihatra efa-taona izany teo aloha. Tonga dia nafahana avy any am-ponja izy.
Nomelohin’ny fitsarana ao amin’ny tanànan’i Vologda i Yuriy sy Nikolay, tamin’ny 5 Septambra 2022. Sazy mihantona efa-taona no azon’i Yuriy. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao. Sazy mihatra efa-taona kosa no azon’i Nikolay, ary tonga dia naiditra am-ponja izy.
Zava-nitranga
19 Desambra 2019
Niditra an-keriny tao an-tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah enina tany Vologda ny polisy. Nosamborina i Yuriy sy Nikolay ary notazonina vonjimaika tany amin’ny toerana iray
20 Desambra 2019
Nafahana i Yuriy ary nambenana tao an-tranony
23 Desambra 2019
Notanana am-ponja vonjimaika i Nikolay
16 Martsa 2020
Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Yuriy. Mbola nisy fameperana nampiharina taminy anefa ka voafetra ny fampiasany telefaonina sy Internet, sady tsy dia afaka niresaka tamin’ireo olona voarohirohy tamin’ilay fiampangana azy izy
19 Mey 2020
Nesorina daholo ny fameperana nampiharina tamin’i Yuriy
13 Aogositra 2020
Nafahana i Nikolay ary nambenana tao an-tranony
25 Septambra 2020
Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Nikolay
7 Martsa 2022
Nanomboka ny fitsarana azy ireo
Ireo voampanga
Manatanjaka ny finoantsika ny mahita hoe tsy mivadika mihitsy ireo rahalahintsika ireo na dia enjehina aza.—1 Tesalonianina 3:7.