21 OKTOBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 26 DESAMBRA 2022
ROSIA
VAOVAO FARANY: NAMPITOMBOINA NY SAZINY | Falifaly na dia Nambenana tao An-trano sy Mbola Hogadraina Ela Be Aza
Vao mainka nampitomboin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahefatra any Rosia ny sazin’ny Rahalahy Rustam Diarov sy Sergey Klikunov ary ny Rahalahy Yevgeniy Ivanov sy Olga vadiny, tamin’ny 22 Desambra 2022. Namoaka didy ny mpitsara hoe tsy mahazo miala ao Astrakhan ry zareo rehefa avy manefa ny saziny. Mbola notanana am-ponja vonjimaika izy efatra mianadahy tamin’ny fotoana namoahana an’io didy io, dia tamin’ny alalan’ny video ry zareo no nanatrika an’ilay fitsarana.
Nampakatra fitsarana ambony mantsy ny Rahalahy Rustam Diarov sy Sergey Klikunov ary ny Rahalahy Yevgeniy Ivanov sy Olga vadiny, dia nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Astrakhan ny fangatahan-dry zareo tamin’ny 3 Martsa 2022. Mbola migadra izy efatra mianadahy amin’izao.
Zava-nitranga
25 Oktobra 2021
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Trusovskiy, any Astrakhan, higadra valo taona i Rustam sy Yevgeniy ary Sergey. I Olga vadin’i Yevgeniy indray voaheloka higadra telo taona sy tapany. Efa nigadra izy telo lahy rehefa navoaka io didy io. I Olga kosa tonga dia naiditra am-ponja vao vita ilay fitsarana
11 Jona 2020
Notanana am-ponja vonjimaika i Rustam sy Yevgeniy ary Sergey fa i Olga nambenana tao an-trano.
9 Jona 2020
Nisy miaramila 100 mahery nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah tany Astrakhan. Tokantrano miisa 27 no nosavan-dry zareo tamin’izay. Notanana am-ponja vonjimaika i Rustam, Yevgeniy, Olga, ary Sergey.
8 Jona 2020
Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Rustam, Yevgeniy, Olga, ary Sergey. Nolazaina hoe mandamina sy manohana ny zavatra ataona fikambanana mampidi-doza, hono, izy telo lahy. I Olga kosa nampangaina hoe mandray anjara amin’ny zavatra ataona fikambanana mampidi-doza.
Ireo voampanga
Mampahery antsika ny mahalala hoe eo akaikin’ny mpanompony tsy mivadika eo foana i Jehovah, rehefa miatrika fitsapana ry zareo.—Salamo 139:5, 10.