26 AOGOSITRA 2022 | VAOVAO FARANY: 17 NOVAMBRA 2022
ROSIA
VAOVAO FARANY: NIVOAKA NY DIDIM-PITSARANA | Tony Sady Matoky An’i Jehovah na dia Enjehina Aza
Namoaka didy manameloka an’ny Rahalahy Anatoliy Gezik sy Irina vadiny ary ny Rahalahy Viktor Zimovskiy ny Fitsaran’i Georgievskiy, any amin’ny Faritanin’i Stavropol, tamin’ny 14 Novambra 2022. Asa an-terivozona efa-taona sy roa volana no sazin’i Anatoliy. I Irina indray voaheloka higadra efa-taona sy roa volana, saingy sazy mihantona ilay izy ka mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao. Sazy mihatra enin-taona sy roa volana kosa no azon’i Viktor ary tonga dia naiditra am-ponja izy.
Zava-nitranga
23 Oktobra 2019
Nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah telo tany Georgievsk ny polisy. Nametraka zavatra tao an-tranon-dry zareo ny polisy rehefa nanao an’ilay fisavana, mba hampiasainy hanamelohana an-dry zareo. Notazonin’ny polisy sy nataon-dry zareo fanadihadiana nandritra ny alina i Anatoliy sy Irina ary Viktor, niaraka tamin’ny mpiara-manompo valo hafa
30 Desambra 2019
Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Anatoliy sy Irina ary Viktor
23 Janoary 2020
Naverina nampanantsoina i Viktor dia natao fanadihadiana indray. Notazonina tany amin’ny toerana fitanana tsy maharitra izy. Nalefa tany am-ponja vonjimaika izy ny ampitson’iny
23 Martsa 2020
Navoaka tany am-ponja i Viktor dia nambenana an-trano.
6 Mey 2020
Tsy nambenana an-trano intsony i Viktor. Tsy navela hiala ny tanàna nisy azy izy
6 Oktobra 2021
Nesorina ilay fameperana hoe tsy afaka miala ny tanàna misy azy izy
10 Martsa 2022
Nanomboka ny fitsarana
Ireo voampanga
Matoky isika hoe ho “akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah” mandritra ny fotoana hiaretan-dry zareo, satria miezaka ny ho faly sy be fanantenana ry zareo.—Salamo 145:18.