1 NOVAMBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 7 FEBROARY 2024
ROSIA
VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Mbola Faly Foana ny Rahalahy Dmitriy Barmakin na Migadra Ela Be Aza
Nohamafisin’ny Fitsaram-paritr’i Primorié, any Vladivostok, ilay didim-pitsarana teo aloha momba ny Rahalahy Dmitriy Barmakin, tamin’ny 6 Febroary 2024. Mbola meloka higadra valo taona ihany izy. Tonga dia naiditra am-ponja izy vao vita ilay fitsarana.
Nampakarin’ny Rahalahy Dmitriy Barmakin fitsarana ambony kokoa ny raharaha mahakasika azy, dia neken’ny Fitsaram-paritr’i Primorié ilay fampakarana, tamin’ny 8 Aogositra 2023. Nofoanana ny didim-pitsarana navoaka momba azy, dia tonga izy dia nafahana avy tany am-ponja. Naverina any amin’ny mpampanoa lalàna anefa ilay raharaha, dia mbola hotsaraina fanintelony izy.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok, Faritanin’i Primorié, higadra valo taona ny Rahalahy Dmitriy, tamin’ny 27 Aprily 2023. Tonga dia naiditra am-ponja izy raha vao niala tao amin’ny fitsarana.
Nolazain’ny Fitsaram-paritr’i Primorié hoe meloka indray i Dmitriy tamin’ny 8 Aprily 2022, na dia efa nisy didy nivoaka aza teo aloha hoe tsy meloka izy. Haverina tsaraina indray àry izy.
Zava-nitranga
Nofoanan’ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok, any amin’ny Faritanin’i Primorié ny fanamelohana rehetra natao tamin’ny Rahalahy Dmitriy, tamin’ny 22 Novambra 2021. Hitan’izy ireo hoe tsy nanan-tsiny izy. Sambany tamin’ity vao nisy fitsarana rosianina namoaka didim-pitsarana hoe tsy meloka ny Vavolombelon’i Jehovah nampangaina hoe nandika ny Andininy faha-282.2(1) amin’ny Fehezan-dalàn’i Rosia Momba ny Heloka Bevava (lalàna momba ny fandaminana ny zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza). Tsy ho ferana intsony ny zavatra azon’i Dmitriy atao. Hihatra izany didim-pitsarana izany manomboka amin’ny 3 Desambra 2021 raha tsy mangataka ny hampakatra an’ilay izy ny biraon’ny mpampanoa lalàna
20 Aprily 2021
Voampanga ho nanao heloka bevava indray i Dmitriy
18 Desambra 2020
Naverina tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha satria tsy nisy porofo mari-pototra ilay fiampangana. Mbola nitohy ihany anefa ilay sazy hoe noferana ny zavatra azony natao
18 Oktobra 2019
Notanana am-ponja nandritra ny 447 andro i Dmitriy, dia avy eo nafahana saingy voafetra be ny zavatra ny azony natao. Nitarina im-polo ny fotoana nigadran’i Dmitriy
28 Jolay 2018
Niditra an-keriny tao amin’ny trano nikarakaran’i Dmitriy sy Yelena ny bebeny, 90 taona, ny polisy maromaro mitam-piadiana sy misaron-tava tamin’ny 28 Jolay 2018, tamin’ny fito maraina. Nentin-dry zareo niverina tany amin’ny tanànany, tany Vladivostok, 177 kilaometatra niala teo i Dmitriy sy Yelena. Nosamborina i Dmitriy ary tonga dia notanana am-ponja vonjimaika
27 Jolay 2018
Nampangaina ho nanao heloka bevava ny Rahalahy Dmitriy Barmakin
Oktobra 2017
Nisy madama 30 taona, mody niseho hoe liana tamin’ny fahamarinana nefa hay mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenen’i Rosia (FSB). Nalainy video an-tsokosoko ny resaka nifanaovan’izy sy ny rahalahy sy anabavy sasany
Ilay voampanga
Tsy hay raha mety mbola ho tafasaraky ny fonja indray i Dmitriy sy Yelena. Na izany aza, dia manome modely tsara izy ireo satria “ny fifaliana avy amin’i Jehovah” no ataon’izy ireo “manda fiarovana.”—Nehemia 8:10.