30 DESAMBRA 2021
ROSIA
VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Matoky An’i Jehovah i Nikolayev dia Tony Be
Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Krasnodar ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Aleksandr Nikolayev, tamin’ny 20 Oktobra 2022. Mbola migadra izy izao.
Zava-nitranga
23 Desambra 2021
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Abinskiy, any amin’ny Faritr’i Krasnodar, i Aleksandr ary voaheloka higadra roa taona sy enim-bolana
30 Septambra 2021
Notanana vonjy maika any am-ponja
4 Aogositra 2021
Nanomboka ny fitsarana
26 Mey 2021
Nampangaina satria hoe miresaka momba ny Baiboly amin’ny fianakaviana sy ny namana. Nilaza ny mpanao famotorana fa “heloka bevava” izany satria, hono, manohintohina ny “fandriampahalemana sy filaminana eo amin’ny firenena”, izay arovan’ny Lalàm-panorenana
7 Aprily 2021
Nisava ny tranon-dry Nikolayev ny polisin’ny FSB sy ny polisy mpandamina mpirotaka, tamin’ny 6 ora maraina. Nentina natao famotorana i Aleksandr ary navotsotra avy eo
31 Martsa 2021
Voampanga ho mpanao heloka bevava i Aleksandr
Ilay voampanga
Matoky isika hoe hotahin’i Jehovah i Aleksandr sy ireo rahalahy sy anabavy tsy mivadika any Rosia sy Crimée satria matoky azy sy miantehitra aminy.—Jeremia 17:7.