1 JONA 2022 | VAOVAO FARANY: 6 SEPTAMBRA 2023
ROSIA
VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Tsy Mivadika Mihitsy Izy Ireo Satria Tohanan’i Jehovah
Tamin’ny 5 Septambra 2023, dia nomelohin’ny fitsarana any Nijnekamsk, any amin’ny Repoblikan’i Tatarstan, ny Rahalahy Denis Filatov sy Stanislav Klyuchnikov ary Dmitriy Yarchak. Nahazo sazy mihantona enin-taona avy ry zareo fa mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izao.
Zava-nitranga
18 Novambra 2020
Nanao bemidina tany amin’ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 12 tany Nijnekamsk ny polisin’ny FSB sy ny polisy hafa nirongo fiadiana. Rahalahy sivy sy anabavy telo no nentin-dry zareo mba hatao famotorana
24 Aogositra 2021
Vokatry ny fanadihadiana dia lasa voafetra ny toerana azon’i Denis sy Stanislav ary Dmitriy naleha
7 Oktobra 2021
Nampangaina tamin’ny fomba ofisialy hoe mpanao heloka bevava i Denis sy Stanislav ary Dmitriy. Nampangaina ry zareo hoe “nihira hiram-pivavahana manokana sy nivavaka”
27 Janoary 2022
Nafindra tany amin’ny fitsarana any Nijnekamsk, any amin’ny Repoblikan’i Tatarstan, ilay raharaha
Ireo voampanga
Miantehitra amin’i Jehovah foana ny rahalahintsika mba hahazo hery. Azo antoka fa tsapan’izy ireo ny fihetseham-pon’i Davida mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Izao no atokisako: Manohana ahy Andriamanitra.”—Salamo 56:9.