8 APRILY 2022 | VAOVAO FARANY: 16 FEBROARY 2023
ROSIA
VAOVAO FARANY: VOASAZY HIGADRA | Mbola Manampy ny Fianakaviany ho Akaiky An’i Jehovah Foana ny Raim-pianakaviana Iray na dia Efa Migadra Aza
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovetskiy, any Kazan, ny Rahalahy Konstantin Sannikov, tamin’ny 15 Febroary 2023. Migadra enin-taona sy tapany izy. Notanana am-ponja vonjimaika izy nanomboka tamin’ny Aogositra 2020 ary mbola any am-ponja hatramin’izao.
Zava-nitranga
25 Aogositra 2020
Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy. Nametraka fitaovana fandraisam-peo mangingina tao an-tranon’i Konstantin mantsy ny mpanao famotorana talohan’io. Nilaza ny manam-pahefana fa nandamina asa “mampidi-doza” izy satria nampiantrano olona mba hanao resadresaka ara-baiboly
27 Aogositra 2020
Nosamborina izy dia tonga dia notanana am-ponja vonjimaika
26 Mey 2021
Tsy navelan’ny fitsarana hamangy azy tany ny vadiny na dia efa imbetsaka aza no nangataka an’izany
20 Aogositra 2021
Nampangaina ho mpanao heloka izy dia nanomboka notsaraina
Ilay voampanga
Hoatran’ny ataon’i Konstantin manampy ny fianakaviany hatanjaka ara-panahy, dia matoky koa isika hoe ‘hanome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny’ i Jehovah.—1 Timoty 5:8.
a Mbola any am-ponja ny Rahalahy Sannikov, dia tsy nisy fomba niresahana taminy.