Fotoana Niavaka tany Rwanda
28 NOVAMBRA 2014: Nanambara ny fitsarana tany Karongi fa tsy tokony hoheverina hoe tsy manaja ny hiram-pirenena ny olona iray tsy manao hiram-pirenena
2004: Maherin’ny 100 ny Vavolombelona nosamborina satria tsy nanohana antoko politika
13 DESAMBRA 2002: Nosoratana ho ara-panjakana indray ny Vavolombelon’i Jehovah, ary neken’ny fitondrana vaovao izany
APRILY 1994: Nanomboka ny fandripahana foko, izay nahafatesana olona efa ho iray tapitrisa, anisan’izany ny Vavolombelona 400
13 APRILY 1992: Voasoratra ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah
OKTOBRA 1990: Notafihin’ny Antokon’ireo Tia Tanindrazana any Rwanda, izay niainga avy tany Ogandà ny faritra avaratr’i Rwanda
NOVAMBRA 1982: Noraran’ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah
MARTSA 1970: Voaray ny tatitra voalohany momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rwanda