12 MEY 2023
SOUDAN
Mbola Mafana ny Ady any Soudan
Nisy antokon’olona roa mirongo fiadiana niady tany Khartoum, renivohitr’i Soudan, nanomboka tamin’ny 15 Aprily 2023. Araka ny vaovao voaray, dia olona 600 mahery no maty ary 5 000 no naratra vokatr’izany.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Tsy nisy rahalahy na anabavintsika naratra na maty
Mpitory 318, fara fahakeliny, no voatery nifindra toerana. Tafatsoaka nankany amin’ny firenena eo akaiky eo ny sasany amin’izy ireo
Olon-dehibe 8 no tsy tafavoaka tao am-piasany, dia ankizy 5 no tsy tafavoaka tany am-pianarana. Efa tafaraka amin’ny fianakaviany indray izy ireo izao
Fanampiana tra-boina
Mampahery an’ireo tra-boina amin’ny alalan’ny Baiboly ny anti-panahy
Maromaro ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky notendrena any Soudan sy any amin’ireo firenena manodidina mba hanampy ny tra-boina arakarak’izay ilain’izy ireo sy handamina an’izany fanampiana izany
Efa tsy andrintsika ny hahatanterahan’ny Salamo 72:7 hoe: “Ho be ny fiadanana.” Eo am-piandrasana an’izany, dia hivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika any Soudan foana isika, satria mikorontana ny fiainan’izy ireo noho ny herisetra.