Hijery ny anatiny

Anabavy mahandro sakafo eo amin’ny fidirana amin’ilay lakaly iafenan-dry zareo

23 MARTSA 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #4 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

VAOVAO FARANY #4 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Mivavaka mafy ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Mariupol isika, satria mbola mitohy ny ady sy ny zera baomba any. Mampalahelo fa rahalahy sy anabavy enina no maty nandritra ny zera baomba. Raha atambatra, dia rahalahy sy anabavy folo izay no maty tany Ukraine. Nolazain’ny vaovao koa hoe nisy trano iray filalaovana teatra voazera baomba, tamin’ny herinandro. Olona 1 000 mahery no niafina tao. Tsy nisy maty aloha ny mpiara-manompo amintsika, fa nisy vitsivitsy naratra ihany.

Rahalahy sy anabavy 750 eo ho eo no tafatsoaka avy any Mariupol, ary 1 600 eo ho eo no mbola tavela any. Any amin’ny faritra atsinanan’ilay tanàna no misy ny ankamaroan’izy ireo, ary efa fehezin’ny Rosianina izao ilay faritra.

Noresahina tao amin’ny vaovao teo aloha hoe nisy rahalahy sy anabavy 200 teo ho eo niafina tao anaty lakalin’ny toerana iray misy Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe. Izao ny tatitra nalefan’ireo rahalahy tao amin’ilay toerana, rehefa mba niverina tamin’ny laoniny kely ny fifandraisana:

“Natahotra be ny rahalahy sy anabavy sasany, nandritra an’ilay zera baomba. Nisy aza nanomboka nitomany. Rehefa naheno an’ilay baomba nipoaka be tany ivelany tany izahay, dia hozy izahay hoe na izahay ho fatin’ilay baomba na izahay ho fatin’ny afo. Nisy anti-panahy iray nanome soso-kevitra hoe andao hanao hiran’ilay Fanjakana. Dia niara-nanao hira 10 na 15 teo ho eo izahay. Rehefa nihamafy ny feon’ny baomba nipoaka sy ny fihovotrovotr’ilay trano, dia vao mainka nampiakarinay ny feonay. Namaky ny Salamo faha-27 izahay avy eo, dia niara-nidinika an’ilay izy. Samy nilaza an’izay andinin-teny tiany indrindra ny tsirairay taorian’izay, sady nanazava hoe nahoana ilay izy no nampahery azy. ... Tsapanay hoe tena ‘Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra’ tokoa i Jehovah, dia afaka mampitony antsika izy ao anatin’ny fotoana faran’izay sarotra.”​—2 Korintianina 1:3, 4.

Mahafoy tena ny anti-panahy sy ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) ka miezaka mitady an’ireo mpiara-manompo, ary manatitra sakafo sy fanafody rehefa ilaina izany. Manao vivery ny ainy mihitsy ry zareo indraindray. Misy fotoana, ohatra, ry zareo voatery mandady amin’ny tany mba tsy ho voatifitra, rehefa mikaroka an’ireo mpiara-manompo. Tena faly isika manana rahalahy hoatr’ireny, izay ‘manao vivery ny ainy hamonjena’ ny mpiray finoana aminy.​—Romanina 16:4.

Misy anabavy be herim-po mahandro sakafo amin’ny kitay eny an-tokotany, satria tsy misy gazy sy herinaratra intsony eran’ilay tanàna. Aterina any amin’ny mpiara-manompo be taona na kilemaina avy eo ilay sakafo. Betsaka ny rahalahy sy anabavy namoy ny tranony sy ny fiarany ary ny fananany. Tena mankasitraka ny fitiavana sy ny fanampian’ny mpiray finoana aminy anefa izy ireo.

Ankavia: Anabavy vitsivitsy miafina ao anaty lakaly iray any Ukraine. Ankavanana: Rahalahy vitsivitsy mikarakara fanampiana tra-boina any Ukraine

Mbola miezaka manao zavatra ara-panahy foana ireo mpiara-manompo amintsika, na dia any amin’ny toerana iafenany aza. Miara-mianatra Baiboly ry zareo, ary miresaka amin’ny hafa an’izay lazain’ny Baiboly isaky ny afaka manao an’izany.

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 22 Martsa 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra be an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 10 no maty

  • Mpitory 27 no naratra

  • Mpitory 33 180 no niala tao an-tranony mba ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa

  • Trano 78 no rava

  • Trano 102 no simba be

  • Trano 484 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no rava

  • Efitrano Fanjakana 4 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 18 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • KVRV 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 25 069 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 14 308 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any