Hijery ny anatiny

Manery Olona Hiova Fivavahana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Manery Olona Hiova Fivavahana ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Tsy manao an’izany izahay. Izao no voalaza ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ilay gazety ataonay pirinty betsaka indrindra: “Tsy mety ny manery olona hiova finoana.” a Tsy manery olona hiova fivavahana izahay noho ireto antony ireto:

  •   Tsy nanery olona hanaiky ny zavatra nampianariny mihitsy i Jesosy. Fantany mantsy fa ho vitsy ihany ny olona hihaino ny hafatra notoriny. (Matio 7:13, 14) Tafintohina noho ny zavatra nolazainy, ohatra, ny mpianany sasany indray mandeha, dia navelany handeha fa tsy notereny hijanona.​—Jaona 6:60-62, 66-68.

  •   Nampianarin’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy fa tsy tokony hanery olona hanova ny zavatra inoany izy ireo. Tsy tokony hanery olona hanaiky ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo, fa hitady an’izay olona vonona hihaino an’izany.​—Matio 10:7, 11-14.

  •   Tsy misy dikany raha miova fivavahana ny olona iray satria noterena. Ny olona manompo an’Andriamanitra amin’ny fo ihany mantsy no ankasitrahany.​—Deoteronomia 6:4, 5; Matio 22:37, 38.

Mandeha mitory ve izahay mba hitaomana ny olona hanaraka ny fivavahanay?

 Marina aloha fa mitory hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” izahay sady manao an’izany “ampahibemaso sy isan-trano.” Tsy maintsy atao mantsy izany, araka ny resahin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 1:8; 10:42; 20:20) Ampangaina hoatran’ireo Kristianina voalohany izahay indraindray hoe mitaona olona hanaraka ny fivavahanay nefa tsy nahazo alalana hanao an’izany. (Asan’ny Apostoly 18:12, 13) Diso anefa izany. Tsy manery na iza na iza hanaraka ny fivavahanay izahay. Mino kosa izahay hoe tokony havela hamantatra tsara momba ny zavatra iray ny olona, amin’izay izy afaka mifidy tsara an’izay harahiny.

 Tsy manery olona hiova fivavahana izahay. Tsy misy ambadika politika koa ny zavatra ataonay, sady tsy tambazanay fanampiana na zavatra hafa ny olona mba ho lasa mpivavaka ao aminay. Misy olona milaza ho Kristianina nefa manao an’ireo, ka manala baraka an’i Kristy. b

Manana zo hiova fivavahana ve ny olona?

Niala tamin’ny fivavahan’ny fianakaviany ilay mpaminany atao hoe Abrahama

 Eny. Hita ao amin’ny Baiboly fa manana zo hiova fivavahana ny olona. Voaresaka ao fa maro ny olona tsy nanaraka ny fivavahan’ny fianakaviany intsony, fa nanompo an’ilay tena Andriamanitra. Safidin’izy ireo manokana izany, fa tsy nisy nanery azy hanao an’izany. Anisan’izy ireny i Abrahama, Rota, ny olona sasany tany Atena, ary ny apostoly Paoly. (Josoa 24:2; Rota 1:14-16; Asan’ny Apostoly 17:22, 30-34; Galatianina 1:14, 23) Hita ao amin’ny Baiboly mihitsy koa aza fa zon’ny olona ny miala amin’ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra, na dia tsy fanapahan-kevitra tsara aza izany.​—1 Jaona 2:19.

 Manana zo hiova fivavahana ny olona, araka ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, izay antsoin’ny Firenena Mikambana hoe “fototry ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona.” Voalaza ao amin’io fanambarana io fa “manan-jo hiova fivavahana na hanova ny zavatra tiany hinoana” ny olona rehetra, sady manana zo “hikaroka, handray, ary hampiely fanazavana na hevitra”, anisan’izany ny hevitra mifandray amin’ny fivavahana. c Mazava ho azy fa manana adidy hanaja ny zon’ny hafa izay manana an’ireo zo ireo. Eken’izy ireo hoe manana zo tsy hiala amin’ny zavatra inoany sy handa an’izay hevitra tsy ekeny koa ny hafa.

Manao tsinontsinona ny fianakaviany sy ny fomban-drazany na ny fombafomba hafa fanaon’izy ireo ve ny olona iray raha miova fivavahana?

 Tsy voatery. Mampirisika antsika ny Baiboly mba hanaja ny olon-drehetra, na inona na inona fivavahany. (1 Petera 2:17) Voalaza ao koa hoe tokony hanaja ny ray aman-drenintsika isika. (Efesianina 6:2, 3) Mankatò an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia samy hafa aza ny zavatra inoan’izy ireo antsika mba hanaja ny ray aman-drenintsika ny Baiboly, ary mankatò an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah na dia tsy mitovy finoana aminy aza ny ray aman-dreniny.​—Efesianina 6:2, 3.

 Tsy ny olona rehetra anefa no manaiky an’izay lazain’ny Baiboly. Hoy ny vehivavy iray, lehibe tany Zambia: ‘Heverin’ny olona fa hoe mivadika amin’ny fianakavianao sy ny fiaraha-monina ianao, any aminay, raha miova fivavahana.’ Izany no nanjo an’io vehivavy io tamin’izy mbola tanora, rehefa lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary tsy ela taorian’izay dia tapa-kevitra ny hiova fivavahana. Hoy izy: ‘Naverimberin’i Dada sy Neny tamiko foana hoe tena tezitra be tamiko ry zareo ary nandiso fanantenana azy ireo aho. Mafy be tamiko izany, satria tena tsy te hampalahelo azy ireo aho. Tsy hoe mivadika amin’ny fianakaviako akory aho raha manapa-kevitra fa tsy hivadika amin’i Jehovah, dia tsy hanao an’ireo fombafomba fanaon’ilay fivavahako taloha intsony.’ d

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2002, pejy 12, fehintsoratra 15.

b Namoaka didy, ohatra, i Charlemagne Mpanjaka tamin’ny taona 785 tany ho any, hoe hovonoina ho faty izay mponin’i Saxe tsy manaiky hatao batisa dia lasa Kristianina. Nisy fifanekena natao koa tany Augsbourg tamin’ny taona 1555, ary nanao sonia azy io ireo antoko niady tao amin’ny Fanjakana Romanina Masina. Voalaza tao fa tsy maintsy Katolika na Loteranina ny mpitondra rehetra tao amin’ny faritanin’ilay fanjakana, ary tsy maintsy nanaraka ny fivavahan’ilay mpitondra ny vahoakany. Nasaina nifindra monina izay tsy nanaiky hanao an’izany.

c Misy fanambarana mitovitovy amin’izany koa ao amin’ireto: Sata Afrikanina Momba ny Zon’olombelona sy ny Zon’ny Vahoaka, Fanambarana Amerikanina Momba ny Zo sy Andraikitry ny Olom-pirenena, Sata Arabo Momba ny Zon’olombelona tamin’ny 2004, Fanambarana Momba ny Zon’olombelona Nataon’ny ANASE (Fikambanan’ny Firenena any Azia Atsimoatsinanana), Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, ary ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika. Na ireo firenena namoaka an’ireo fanambarana ireo aza anefa miovaova hevitra rehefa tena hampihatra an’ireo.

d Jehovah no anaran’ilay tena Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.