Hijery ny anatiny

Ahoana ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fianarana?

Ahoana ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fianarana?

 Mijery ny toro lalan’ny Baiboly izahay rehefa hamantatra hoe inona no fianarana hatao. Ny tsirairay avy eo no manapa-kevitra, arakaraka ny feon’ny fieritreretany, hoe ahoana no ampiharany an’ilay izy. Ireto, ohatra, ny sasantsasany amin’izany toro lalana izany: a

 Tena ilaina ny fianarana

 Mahasoa ny fianarana satria manampy antsika ho ‘hendry sy hahay hisaina.’ Tena ilaina ireo toetra ireo, raha ny Baiboly no jerena. (Ohabolana 2:10, 11; 3:21, 22) Nilaza koa i Jesosy hoe mila ampianarina an’izay nandidiany ny olona. (Matio 28:19, 20) Ampianay hahay zavatra betsaka araka izay azo atao àry ny mpivavaka ao aminay, ohatra hoe hahay hamaky teny, hanoratra, hiresaka, b ary hamantatra momba ny fivavahana hafa na ny kolontsaina hafa.​—1 Korintianina 9:20-22; 1 Timoty 4:13.

 Na ny fitondram-panjakana koa aza mahita hoe ilaina ny fianarana. Asaina mamita fianarana hatreny amin’ny lise ny ankizy, any amin’ny tany sasany. Mankatò an’izany lalàna izany izahay, satria milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana”, na ny fitondram-panjakana. (Romanina 13:1) Ampirisihinay koa ny ankizy ao aminay mba hifantoka tsara rehefa any am-pianarana sady hiezaka hahazo naoty tsara, fa tsy hanao alasafay. c Milaza mantsy ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.”​—Kolosianina 3:23, Fandikan-teny Protestanta.

 Ilaina ny mianatra raha te hanana asa hamelomana vady aman-janaka. Hoy ny Baiboly: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Timoty 5:8) Andriamanitra mihitsy no mitaky hoe mila mamelona ny fianakaviantsika isika. Hanampy antsika hahavita an’izany ny fianarana. Milaza Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) fa natao hanampiana ny olona ‘hampandroso ny fiaraha-monina sy ny toe-karena’ ny fianarana. Mora mahita asa sady maharitra amin’ny asany ny olona nianatra sy mahay zavatra. Tsy toy izany kosa ny olona tsy dia mahay zavatra firy na tsy nandia fianarana mihitsy.​—Ohabolana 22:29.

 Adidin’ny ray aman-dreny koa ny manampy ny zanany ho vonona hiatrika ny fiainana rehefa lasa olon-dehibe izy. (2 Korintianina 12:14) Mila alefa mianatra àry ny ankizy raha tiana ho tratra izany tanjona izany. Ampirisihinay handefa ny zanany mianatra ny ray aman-dreny, na dia tsy fanao aza izany any amin’ny faritra misy azy, d na andoavam-bola, na manahirana be. Omenay soso-kevitra azo ampiharina koa izy ireo mba hahavitany manara-maso ny fianaran’ny zanany. e

 Mila dinihina tsara izay fianarana hatao

 Fantarinay tsara hoe inona avy no azo atao. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.” Dinihinay tsara àry hoe inona avy ny fianarana azo atao rehefa vita ny eny amin’ny lise, dia ohatrinona ny vola ho lany, ary tena ilaina ve ilay zavatra hianarana sa tsia. Raha mianatra asa, ohatra, ny tanora iray, dia matetika no mahay zavatra tena ilaina sady fohifohy ny fotoana laniny ianarana.

 Mahasoa kokoa ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra noho ny mianatra any an-tsekoly. Tsy hoatran’ny fianarana any am-pianarana ny fianarana Baiboly. Lasa mahalala an’Andriamanitra ny olona mianatra azy io, ary iankinan’ny aina izany. (Jaona 17:3) Mampianatra antsika ho tsara toetra koa izy io. Resahiny ao “ny atao hoe fahamarinana sy rariny ary fahitsiana”, izany hoe “izay tsara rehetra.” (Ohabolana 2:9) Mitovitovy amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite ny fianarana nataon’ny apostoly Paoly. Niaiky anefa izy hoe mbola ‘sarobidy’ lavitra noho izany ny “fahalalana an’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 3:8; Asan’ny Apostoly 22:3) Be dia be koa ny Vavolombelon’i Jehovah nanao fianarana ambony. Miaiky anefa izy ireo hoe mbola mahasoa kokoa noho izany ny mianatra momba an’Andriamanitra. f

Ho lasa tsara toetra ianao raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra

 Mety hisy vokany ratsy ny fianarana ambony

 Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mety hahatonga ny ankizy haditra ny mianatra eny amin’ny oniversite na any amin’ny sekoly sasany anaovana fianarana ambony. Mety tsy hiraharaha an’Andriamanitra intsony koa ny ankizy mianatra any. Be dia be àry ny Vavolombelon’i Jehovah manapa-kevitra hoe tsy hianatra any na tsy handefa ny zanany hianatra any. Voamarik’izy ireo hoe matetika no ampianarina hevi-diso hoatran’ireto ny ankizy manao fianarana ambony:

  •   Hevi-diso: Ny vola no mahasambatra sy mampilamin-tsaina

     Matetika no alentika ao an-tsain’ny ankizy hoe tsy maintsy manao fianarana ambony izy raha te hahazo asa be karama. Mihabetsaka àry ny ankizy mianatra eny amin’ny oniversite satria te hanam-bola be. Misy mieritreritra hoe ho sambatra sy hilamin-tsaina izy rehefa manam-bola. Diso anefa izany, raha ny Baiboly no jerena. (Mpitoriteny 5:10) Resahin’ny Baiboly koa hoe ‘ny fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao’, ary matetika izany no mahatonga ny olona tsy hanam-pinoana intsony. (1 Timoty 6:10) Miezaka mafy àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy ho ‘voafitaky ny harena.’​—Matio 13:22.

  •   Hevi-diso: Hajain’ny olona ianao rehefa manao fianarana ambony

     Izao no nosoratan’i Nika Gilauri, praiminisitra taloha tany Géorgie, momba ny hevitry ny ankamaroan’ny olona any amin’ny taniny: “Tsy maintsy manana diplaoma ambony ianao eto Géorgie raha te hohajain’ny olona. ... Henatra ho an’ny fianakaviana [taloha] ny tanora tsy nanana diplaoma.” g Milaza anefa ny Baiboly hoe tsy tokony hitady laza na voninahitra eto amin’ity tontolo ity isika. Te hohindrahindrain’ny olona, ohatra, ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo: “Ahoana moa no hinoanareo, nefa ianareo aza mandray voninahitra avy aminareo samy ianareo ihany?” (Jaona 5:44) Mety hahatonga ny olona hanambony tena koa ny zavatra iainany na ny olona ifaneraserany eny amin’ny oniversite. Toetra tena tsy tian’Andriamanitra anefa izany.​—Ohabolana 6:16, 17; 1 Petera 5:5.

  •   Hevi-diso: Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra hoe inona no tsara ary inona no ratsy

     Ekenay Vavolombelon’i Jehovah izay lazain’Andriamanitra hoe tsara na ratsy. (Isaia 5:20) Rehefa mianatra eny amin’ny oniversite anefa ny ankizy, dia be dia be no voataonan’ny namany “hanao zavatra tsy mifanaraka amin’izay efa fantany hoe tsara sy ratsy.” Izany no noresahin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Journal of Alcohol and Drug Education. h Tena marina àry ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Be dia be ny ankizy lasa manao zavatra tsy tian’Andriamanitra rehefa tonga eny amin’ny oniversite. Misy, ohatra, mamo na mifoka rongony na manao firaisana amin’olona tsy vadiny. Ampirisihina hanao an’izany mihitsy aza ny ankizy eny.—1 Korintianina 6:9, 10; 2 Korintianina 7:1.

  •   Hevi-diso: Tsy maintsy manao fianarana ambony ianao vao hahavita hanatsara an’izao tontolo izao

     Tsy hoe te hanan-karena na te hohajain’ny olona na te hanao hadalana daholo akory izay manao fianarana ambony. Be dia be ny ankizy manao an’izany satria te hanatsara ny fiainany na te hanatsara an’izao tontolo izao. Tsy ratsy izany, nefa tsy izany no tanjonay Vavolombelon’i Jehovah. Mitovy hevitra amin’i Jesosy mantsy izahay, ka mino hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hanatsara an’izao tontolo izao. (Matio 6:9, 10) Hamaha ny olana rehetra eto an-tany izy io amin’ny hoavy. Tsy mipetra-potsiny anefa izahay mandra-pahatongan’izany, fa miezaka mitory ny vaovao tsara momba an’io Fanjakana io, hoatran’ny nataon’i Jesosy. Manao an’izany eran-tany izahay, ka olona ana hetsiny isan-taona no ampianay hanova ny fiainany. i​—Matio 24:14.

a Tsy manapa-kevitra irery amin’ny resaka fianarana ny tanora Vavolombelona, raha mbola miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny. Izay tapaky ny ray aman-dreniny no arahiny raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ilay izy.​—Kolosianina 3:20.

b Efa 11 tapitrisa mahery izao ny boky fianarana mamaky teny sy manoratra navoakanay. Anisan’izany ilay hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra. Mampianatra mamaky teny sy manoratra koa izahay. Maimaim-poana ilay izy, ary atao maneran-tany amin’ny fiteny 120. Nisy 70 000 teo ho eo ny olona nampianarinay namaky teny sy nanoratra, teo anelanelan’ny taona 2003 sy 2017.

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tokony Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

d Toroanay hevitra, ohatra, ny ray aman-dreny hoe tsy ny zanany lahy ihany no tokony halefany mianatra fa ny zanany vavy koa. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tokony Hianatra any An-tsekoly ve ny Zanako?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2003.

e Jereo ilay lahatsoratra hoe “Tianao Hahazo Naoty Tsara ve ny Zanakao?

f Jereo ilay fizarana ato amin’ny jw.org hoe “Hevitry ny Olona Momba ny Niandohan’ny Fiainana.”

g Practical Economics: Economic Transformation and Government Reform in Georgia 2004​—2012, pejy 170.

h Volume 61, No. 1, Aprily 2017, pejy 72.

i Jereo ilay fizarana ato amin’ny jw.org hoe “Manova Olona ny Baiboly.” Tantara tena nisy no ho hitanao ao. Tantaraina ao hoe nisy olona nahavita niova rehefa nianatra ny Tenin’Andriamanitra sy naheno momba ny Fanjakan’Andriamanitra.