Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Kalesy Fampirantiana “ho Vavolombelona Amin’ny Firenena Rehetra”

Kalesy Fampirantiana “ho Vavolombelona Amin’ny Firenena Rehetra”

1 APRILY 2023

 Efa folo taona mahery isika izao no mampiasa kalesy fampirantiana rehefa manompo. Tena mahasarika ny olona izy ireny sady tonga dia mora fantatra, na aiza na aiza toerana ahitana azy eran-tany. Tsy hoe miavaka fotsiny ny paoziny fa mora ampiasaina koa. Hoy i Asenata, anabavy iray any Polonina: “Tsotsotra kely ny paozin’ireny kalesy ireny, nefa tena tsara tarehy. Mora ampiasaina sy afindrafindra koa ilay izy.” Azo antoka fa mitovy hevitra aminy ianao.

 Efa mba noeritreretinao ve hoe ahoana no fanamboarana an’ireny kalesy fampirantiana ireny?

Mety tsara ny paoziny

 Nanomboka nanandrana fomba isan-karazany hitoriana eny amin’ny toerana be olona ireo rahalahy sy anabavintsika tany Frantsa tamin’ny 2001, rehefa nahazo alalana tamin’ny Filan-kevi-pitantanana. Iray tamin’izany ny fampiasana kalesy fampirantiana, ary efa nisy paoziny maromaro nandraman-dry zareo. Nisy fotoana, ohatra, valizy sy kalesy fitondra miantsena any amin’ny magazay no namboarin’izy ireo mba ho azo ampirantina sy ametrahana boky sy gazety. Nifidy paoziny anankiray ny sampan’i Frantsa, tatỳ aoriana, dia iny no lasa nampiasain’ny mpitory nandritra ny taona maro.

Kalesy fampirantiana voalohandohany, Frantsa, 2005

 Tena faly ny mpiara-manompo tany Frantsa satria nisy vokany tsara ny andrana nataon’izy ireo tamin’ilay fitoriana eny amin’ny toerana be olona. Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry tamin’ny 2011 hoe handramana any New York, any Etazonia, koa ilay fomba fitory vaovao, ary kalesy sy latabatra fampirantiana no hampiasaina. Vetivety dia tsapan’ireo mpisava lalana nandray anjara tamin’ilay andrana hoe misy tombony be dia be ilay kalesy, anisan’izany ilay izy hoe mora afindrafindra. Nanome soso-kevitra azo anatsarana ny paozin’ilay kalesy koa ry zareo. Vita tamin’ny hazo sady natao tanana ny kalesy fampirantiana voalohandohany dia somary navesatra, ka sarotra ny nibata azy rehefa hiakatra sy hidina tohatra. Namboarina àry ilay izy mba ho lasa maivamaivana kokoa, nefa koa tsy hoe ho maivana loatra ka ho zakan’ny rivotra. Nohalehibeazina koa ny kodiarana sady natao mahazaka mitontontontona, amin’izay azo entina amin’ny lalana mikitoantoana. Ankoatra izay, dia nampiana fasiana entana kely ilay kalesy mba hitehirizana boky sy gazety fanampiny.

 Tena nahomby ilay fomba fitory vaovao! Neken’ny Filan-kevi-pitantanana àry tamin’ny 2012 hoe hampiasaina maneran-tany ny kalesy fampirantiana. Nifanaraka tamina orinasa iray ny fandaminana mba hanamboatra kalesy be dia be vita amin’ny akora maivana nefa mateza.

 Nisy fanatsarana madinidinika natao foana tamin’ireny kalesy ireny, nandritra ny taona maro. Nasiana fonony miaro amin’ny orana, ohatra, ilay izy tamin’ny 2015, ary plastika tantera-pahazavana ny eo anoloana. Tena tian’i Dina, anabavy iray mipetraka any Géorgie, io fonony io. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe manana ny ‘aro orany’ ilay kalesy mba hiarovany an’ireo boky sy gazety.” Lasa afaka nampiasa takelaka misy andriamby ny fiteny sasany tamin’ny 2017. Hoy i Tomasz, rahalahy iray any Polonina: “Asa be taloha ny nanolo an’ilay takelaka misy lakaoly. Hitako hoe tena hevitra tsara ilay takelaka misy andriamby.” Mbola nisy fanatsarana hafa koa natao tamin’ny 2019. Novana ny akora sy ny fomba nanamboarana an’ireo kalesy mba hampahateza azy kokoa.

Ny fanamboarana kalesy fampirantiana

 Orinasa iray no manamboatra an’ireny kalesy fampirantiana ireny, dia avy eo ilay izy alefa any amin’ny fiangonana maneran-tany. Mitentina 43 dolara amerikanina (192 000 ariary eo ho eo) izao ny vidin’ny kalesy iray. Mbola tsy ao anatin’izay ny saran’ny fandefasana azy sy ny fandaniana hafa. Maherin’ny 16 tapitrisa dolara amerikanina (71 000 tapitrisa ariary eo ho eo) hatreto ny vola lany tamin’ny fanamboarana kalesy fampirantiana, ary kalesy 420 000 mahery no efa nalefa tany amin’ny fiangonana maneran-tany.

 Hafarana ambongadiny ireo kalesy fampirantiana mba tsy ho verivery fotsiny ny vola fanomezana. Efa azon’ny fiangonana atao koa izao ny manafatra piesy fanampiny, amin’izay azo amboarina ilay kalesy raha simba fa tsy hoe soloana vaovao.

Ampiasaina mba hitoriana

 Tena tian’ny mpitory eran-tany ny mampiasa kalesy fampirantiana. Hoy i Martina, anabavy iray any Ghana: “Isika no manatona ny olona, amin’ny ankamaroan’ny fomba fitory ampiasaintsika. Fa ny itiavako an’ilay manao fampirantiana, dia hoe ny olona no manatona antsika. Na ny mpandalo aza lasa azo itoriana.”

 Izao no nitranga tao amin’ny firenena iray hafa tany Afrika: Nanatona teo amin’ny fampirantiana ny lehilahy iray dia nahazo boky sy gazety vitsivitsy tamin’ny fiteniny. Niverina izy ny herinandro nanaraka dia niteny hoe: “Efa voavakiko daholo izy rehetra, dia hitako hoe tena ilaina ny fanazavana tao anatiny. Horesahiko amin’ny fianakaviako izao ilay izy rehefa tonga any an-tanàna aho.” Any amin’ny 500 kilaometatra eo ho eo miala eo io tanànany io. Niverina indray izy rehefa afaka roa volana, dia niteny hoe: “Efa voavakin’ny olona tao an-tanàna daholo ilay boky, dia faly be ry zareo tamin’ilay fanazavana hitany tao. Te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Fa mbola misy zavatra tiany hanontaniana anefa. Azon-dry zareo, ohatra, hoe mila aroboka ao anaty rano ry zareo rehefa atao batisa. Tsisy renirano anefa eny akaikin’ny tanànanay. Dia mila mankatỳ ve izany izahay mba hatao batisa?” Nataon’ireo mpitory izay hifandraisan’io lehilahy io amin’ny mpisava lalana iray mahay ny fiteniny, dia miresadresaka tsy tapaka ry zareo nanomboka teo.

 Tena mahafinaritra ny mahita hoe ampiasaina mba hitoriana “maneran-tany” ny kalesy fampirantiana, “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Avy aiza ny vola hanamboarana an’ireny? Avy amin’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany, izay matetika atao amin’ny alalan’ny donate.dan124.com. Misaotra betsaka fa tena malala-tanana ianareo.